Hain-trano eto Madagasikara: Be loatra ka mampiahiahy

Nitrangana hain-trano mahatsiravina indray tao amin’ny tanànan’i Foulpointe ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, trano manodidina ny 50 isa no may kilan’ny afo ary olona mahery ny 100 no tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo ho eo no nanomboka ny fahamaizana, ary raha ny fantatra dia trano kely manakaiky ny fiangonana anglikanina ao an-toerana no niaingan’ny afo, izay mbola tsy fantatra mazava hatreto ny tena antony. Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia nijoalajoala ny afo ary niampita tamin’ireo trano rehetra manodidina. Nahery raha teo ny fitsokan’ny rivotra ka nanamora ny fiparitahan’ny afo. Ho fitsinjovana ireo tra-boina tsy manan-kialofana dia napetraka ao amin’ny “foyer centre social” ao Foulpointe izy ireo ary efa nahazo fanampiana avy amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ireo olom-boafidy avy any amin’iny faritra Atsinanana iny.

Ankehitriny moa dia betsaka amin’ireo olom-pirenena, indrindra fa ireo mpanara-baovao, no mametra-panontaniana amin’ity hain-trano mahatsiravina tsy misy fiafarany eto amin’ny firenena ity. Tsiahivina fa ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo dia nitrangana hain-trano koa tao amin’ny tanànan’i Mahajanga, trano am-polony maro no levon’ny afo ary olona mahery ny 250 no tsy manan-kialofana intsony. Raha ny tarehimarika dia olona 48 no maty tao anatina hain-trano nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona ary tokatrano maherin’ny arivo no voakasika tamin’izany. Mazava ho azy fa ankoatra ireo olona maty ireo dia maro ihany koa ireo ny harena sy fananana may kila forehitra. Tsy fitandremana tokoa ve sa mety misy ambadika hafa ny fahamaroan’ny hain-trano eto amitsika? Na ny eto andrenivohitra, na ny any amin’ny faritra. Saika isan-kerinandro no ahitàna fahamaizana trano maro tahaka ity nitranga tany Foulpointe ity ary matetika dia tanàna kely iray mihitsy no rava. Tato anatin’ny volana vitsy izay dia misy amin’ireo olom-pirenena mpandinika ny raharaham-pirenena no mametraka ny fanontaniana hoe sao dia mba misy ambadika maloto amin’ireny hain-trano misesisesy eto amintsika ireny ka ny tena tanjona dia hanesorana ireo mponina eo amin’ny toerana misy azy mba ho hamidy amin’ny hafa ny tany?  Mety ho diso izany eritreritra izany kanefa mety hitombina ihany koa raha tena mandinika lalina ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra fa ny mahakasika ny resaka fananan-tany. Ny azo antoka aloha na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hivoaka ny marina rehetra momba ity raharaha iray ity.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire