Andohan’i Mandroseza: Nofatsihan’ny olona ny biraon’ny fokontany

Tamin’ny alatsinainy maraina faha 12 septambra 2016 dia nofatsihan’ny olona ny biraon’ny fokontany teo Andohan’i Mandroseza. Feno sora-baventy hoe « aoka izahay no hifidy ny sefom-pokontany »,   tsy mitady sefom-pokontany tendren’ny fanjakana izaha. Tonga teo ny polisy avy ao amin’ny boriborin-tany faha 2 izay notarihin’ny kaomisera ao amin’ity faritra ity tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo. Ny fanadihadiana teny an-toerana no nahafantarana fa tsy eken’ny mponina eo Andohan’i Mandroseza ny fanendrena an’ingahy Rakotovololona Benja izay sady TIM (Tiako I Madagasikara) no HVM ( Hery vaovao hoan’I Madagasikara) raha araka ny voalazan’ ny mponina teo amin’ity toerana ity. Efa nitondra teo hono ity olona ity ny taona 2006 -2009. Nisy moa ny olona izay ataon’ny polisy fanadihadiana amin’ity raharaha ity ka asa izay ho vokatr’izany. Andohani Mandroseza izay azo lazaina fa fokontany isan’ny mafampana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire