Mahajanga: Notafihin’ny jiolahy ny minisitra Razafindehibe Etienne

Tamin’ny alin’ny zoma faha 09 septambra  nifoha ny asabotsy faha 10 septambra 2016 lasa teo dia nisy nanafika tao an-tranony tao amin’ny la Petite Plage  Amborovy tao Mahajanga ingahy Razafindehibe Etienne, izay minisitra ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika tamin’ny andron’ny tetezamita. Efa governoran’ny faritany mizaka tena tao Mahajanga koa izy.  Jiolahy 5 lahy manao saron-tava no tonga nanafika azy tokony ho tamin’ny misasakalina mahery 30 mn teo ho eo. Nodarohan’ireto jiolahy ireto tamin’ny lohany izy ary mivonto sy maratra. Soa ihany fa tsy nampiasa ny basy izay nentiny ireto jiolahy ireto hoy ihany ny nanatrika. Lasan’ny jiolahy ny basy poleta iray, ny ordinatera iray, ny finday miisa valo tao an-trano sy ny vola ary ny firavaka volamena sy volafotsy. Tao anatin’ny 20 minitra teo no faharetan’ny fanafihana tamin’izany. Raha noheverina fa nangingina ny asan-jiolahy tao Mahajanga tao anatin’ny volana vitsy izay dia izao nirongatra izao indray. Ny zandary ao Mahajanga no manao ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity ka ho hitantsika ny mety ho fivoaran’izany.

J.B.

Ajouter un Commentaire