Moramanga: Vidina lafo koa ny baiboly any an-tranon’olona
Mahagaga ihany ny zavatra mitranga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ankehitriny dia misy indray ny olona izay mividy hatrany amin’ny 200 000ariary ny baiboly any an-tranon’olona. Ny faritr’i Moramanga any Alaotra Mangoro no tena malaza indray amin’ity raharaha ity tato ho ato. Mitety tanàna mihitsy ireo mpividy baiboly ireto hatrany ambany vohitra rehetra any, ka ny baiboly tranainy ireny dia sahin’izy ireo vidiana hatrany amin’ny 200 000ar. Ny baiboly vaovao indray dia hatrany amin’ny 100 000ariary no ividianany azy. Mahagaga nefa fa ny any amin’ny mpivarotra tsotra dia amidy 40 000ariary ny lafo indrindra amin’ny vita eto Madagasikara. Ny baiboly dia mirakitra tsiambaratelo amin’ny mpino kristianina koa, ka efa azo lazaina fa mirakitra kolotsaina hoan’ny Malagasy maro. Inona no ifandraisan’ity raharaha ity amin’ny fangalarana lakilosy amin’izao fotoana izao koa? Ary moa ve mbola misy ifandraisany amin’ny fidiran’ny silamo vaovao be dia be eto Madagasikara amin’izao fotoana izao koa izany? Miteraka resabe eo anivon’ny fiaraha-monina tokoa ny resaka fanjakana islamika mahazo vahana any amin’ny faritra arabo sy manerana izao tontolo izao ankehitriny. Misy aza ny milaza fa isan’ny mampieritreritra koa ny antony nahatonga ny trano sy ny fikambanana mampiely baiboly eto Madagasikara amin’izao fotoana izao nianto tamin’ny asany. Nandeha tokoa ny resaka teo aloha teo fa nisy ifandraisany amin’ny fidiran’ny silamo vaovao sy mahery fihetsika eto Madagasikara izany. Resaka mandeha manodidina ny finoana eto Madagasikara daholo izany rehetra izany amin’izao fotoana izao. Misy koa no milaza ny manampahaizana mpandinika ny fiaraha-monina fa fiovana aram-pinoana goavana no mety hisy eran-tany aoriana kely ao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao