Sendikan’ny Mpiraki-draharaha: Tsy maintsy hiroso amin’ny fitokonana
Ny zoma lasa teo no nanatanteraka fivoriambe tetsy Anosy ny sendikan’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny fitsarana.
Araka ny fanazavana nomen’i Patrick Jaonary, sekretera jeneralin’ny sendika, dia tapaka nandritra io fivoriambe io fa tsy maintsy ho tohizana ny fitokonana efa natao fa ny daty hanombohana izany no mbola tsy maintsy ho faritana. Na efa mandeha aza ny feo amin’izao fotoana izao fa hampiasa ny “fiche de présence” na hiroso amin’ny fanapahana karama ho an’ireo mpiraki-draharaha hitokona ny ministera dia tsy hihemotra ny sendika fa tsy maintsy hanohy ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakiana. “Vao mainka mandrehitr’afo ny ministera raha toa ka tena hiroso marina amin’izay fanapahana karama izay”, hoy ihany i Patrick Jaonary. Hisy ny paikady entina amin’ny fitakiana atao izay tsy maintsy mbola hiarahana midinika eo amin’ireo mpiraki-draharaha raha ny fanazavana azo. Ny sekretera jeneralin’ny sendika izay manamafy hatrany fa tsy mitombina ny filazan’ny ministeran’ny Fitsarana fa tsy manam-bola ny fanjakana amin’ ny fandoavana ny tambin-karaman’izy ireo. Marihana fa nandray anjara tamin’ny fivoriambe natao ny zoma lasa teo ny solotena avy amin’ireo rafi-pitsarana rehetra misy eto amin’ny firenena.
F.Tsihiavonana