Rovan’Ilafy: Nomena ny vahiny koa ?
Isan’ny tarigetran’ny fokonolona isaky ny vohitra amin’izao fotoana ny miezaka hampisongadina ny toerana misy azy, ka omena lanja manokana ho amin’izany ny toeram-pialamboly, ny toeram-pizahan-tany, ny vakoka. Ny vakoka moa, araka izany anarany izany dia tokony ho fananana iombonana. Izany hoe zara-andraikitry ny fanjakana ny manajary sy mamelomaso azy.
Raha toa ka isan’ireo vakoka tsy nisy mpikarakara, ary azo ambara mihitsy aza fa tsy noraharahain’ny fitondram-panjakana nandritra ny taona maro ny Rovan’Ilafy (Avaradrano), dia nanomboka nijoro nanamaintimolaly sy namelomaso azy io ny kaominina sy ny mponina ary ny zanaka ampielezana tamin’ity taona ity.
Isan’ireo toerana nohajariana mba hisarihana ny mpizahatany, na vahiny na malagasy izy io. Akory anefa ny hagagan’ny maro amin’izao fotoana fa misy mamaritra sy efa mametraka tsatoka hazo ny eny an-toerana sy ny manodidina. Azo antoka fa hananganana fotodrafitrasa na hisy tetik’asa hatao. Ohatran’ny fitrandrahana harena izany no ahiahin’ny mpitazana.
Iza no nampanao an’izany? Manitikitika ny mponina ny amin’izany. Raha ny re, dia toa tamin’ny fotoana naha-minisitry ny Kolotsaina an-dRtoa Rasamoelina Brigitte no nisy feo nandeha sy nahoraka momba an’ity Rovan’Ilafy ity.
Takian’ny hasin’ity tany ity ny hitondran’ny minisitry ny Kolotsaina ankehitriny, Jean Jacques Rabenirina, fanazavana momba an’izany.