Antoko TIM: Mpanohitra saribakolin’ny HVM
Tao aorian’ilay disadisa izay nampifanandrina ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny M2PATE (Ministera eo ambany fiahian’ny fiadidian’ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany), tamin’ny herinandro lasa teo, dia efa noeritreretin’ny maro ny ho mety fahavakisan’ny ady eo amin’ny fanjakana sy ny antoko TIM. Tanteraka tokoa izany ankehitriny satria nilaza ho tsy manohana ny fitondrana mijoro ankehitriny intsony ny filoha nasionaly ny Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana, raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny tranony etsy Faravohitra omaly. Hentitra ny filoha teo aloha Ravalomanana raha nanambara fa tsy mety amin’izy ireo intsony ny fomba hitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao ka aleon’izy ireo mivadika any amin’ny fanoherana. Tsy manara-dalàna ny fitondrana entin-dRajaonarimampianina ary manaporofo izany ny fangalarana ny tanin’ny vondron’orinasa Tiko etsy Andohatapenaka, hoy ny filohan’ny antoko TIM. Etsy andaniny, miavona ihany koa ny filoham-pirenena satria nisy hatrany ny fangatahana fihaonana mivantana taminy kanefa tsy novaliany mihitsy izany, raha nambaran’i Marc Ravalomanana. Ity filoha teo aloha ity izay nilaza fa tamin’ny volana Janoary lasa teo no nisy ny fihaonana farany teo aminy sy ny filoham-pirenena. Nanamafy kosa anefa ny filohan’ny antoko TIM fa na mivadika any amin’ny fanoherana aza ny antokony dia mbola tsy mieritreritra ny hiara-dia amin’ireo vovonana sy hetsika izay efa mijoro manohitra ny fitondrana amin’izao fotoana izao, tahaka ny Mitsanganà ry Malagasy, ny Malagasy Mivondrona ho an’ny Fanorenana, sns. Ny antony, misy ny teboka maro maro izay tsy hitovizan’ny TIM sy ireto vovonana sy fikambanana politika mpanohitra ireto. Anisan’ny lehibe amin’izany ohatra ny tsy fankasitrahan’ny Tiako i Madagasikara ny fanonganam-panjakana, na ny fampiatoana ny filoha am-perinasa amin’ny asany. “Mila hajaina”, hoy i Marc Ravalomanana, “ny safidim-bahoaka ka tokony hiandry fifidianana ny rehetra”. Na izany dia vonona ny hiatrika fifidianana ny antoko TIM raha toa ka misy ny fifidianana mialohan’ny fotoana. Tsara ihany ny manamarika fa ny birao pôlitika nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara no nanao ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy Faravohitra omaly.
Somary mahagaga ihany izao fanapahan-kevitra noraisin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izao satria milaza ho manohitra ny fitondrana kanefa tsy manala ny minisitra avy amin’ny antokony ao anatin’ny governemanta, dia tsy iza izany fa ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, Rolland Ravatomanga. Mbola kajikajy pôlitika ve ny filazan’i Marc Ravalomanana fa tsy tokony hisy ny fanonganam-panjakana fa tokony handrasana ny fifidianana ? Raha tena vaky tokoa ny ady eo amin’ny filoham-pirenena sy ity filoha teo aloha ity dia mbola mieritreritra angamba ity farany fa ny fitsipahana ny fanonganam-panjakana na ny fampiatoana ny filoha amin’ny asany dia hampijanona ny minisitra Rolland Ravatomanga eo amin’ny toerany. Ny zavatra azo antoka ary tsy hiadian-kevitra, matoa mbola miaro ny mpitondra ankehitriny i Marc Ravalomanana dia misy ny kajikajy pôlitika avo lenta any ambadika any izay mety tsy ho takatra ny olom-pirenena, indrindra fa ho an’ireo mpomba azy. Ny handrasan’ny rehetra izao tao aorian’ity fanambarana nataon-d Ravalomanana omaly ity dia ny hoe hivadika ho mpanohitra ny fitondrana ofisialy eo anivon’ny Antenimieram-
pirenena aminy izay ve ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM ka haka ny toeran’ny filoha lefitra natokana ho an’ny fanoherana. Rehefa tsy izay no tanteraka ny antoko TIM dia tsy diso ireo mpitazana raha hilaza fa mpanohitra saribakolin’ny HVM ny antokon-dRavalomanana
F.Tsihiavonana