Frankôfônia: Feno lainga sy fitapitaka madinika

Ady hevitra hatramin’izao ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay izay ho tanterahina eto Madagasikara amin’ny faha 23 ka hatramin’ny faha 27 novambra 2016 ho avy izao. Azo lazaina fa roa volana sisa dia ho tonga izany andro izany. Tsy misy mankasitraka ny fanatanterahana ity fihaonana ity hatrany amboalohany ireo Malagasy tsotra, noho izy ity mandany volabe nefa ny firenena mbola niala tao amin’ny krizy lalina. Milaza izy ireo fa aleo atokana amin’ny fanarenana ara-tsosialy sy ara-toekaren’ny firenena ny vola tokony hanatanterahana izany aloha. Ankilany indray dia mikiribiby ny fanjakana tarihin’ingahy Hery Rajaonarimampianina fa tsy maintsy tanterahina ity fihaonana ity satria sady voninahitra ho an’i Madagasikara no midika fa misokatra amin’i Madagasikara ny  sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanarenana ny firenena. Ireo hevitra roa tsy mitovy ireo no miady amin’izao fotoana izao ka mahatonga ny ady hevitra ankehitriny ary lasa nivadika pôlitika tanteraka ny raharaha ankehitriny. Feno laingalainga sy fitapitaka madinidinika ankehitriny ny filazan’ny fanjakana ny asa fanatanterahana ity fihaonana an-tampony ity. Ny lainga voalohany ny mahakasika ny toerana handraisana ireo mpizaika antsoina hoe “village de la Francophonie” etsy Andohatapenaka. Tany amboalohany (ny taona 2015) raha nanorina ity toerana ity ny fanjakana dia nolazaina fa io toerana io no handraisana ny olona amin’ity fihaonana tampony ity. Iray taona mahery aty afara (jolay 2016), nanambara indray ny fanjakana fa tsy natao handraisana izany indray ity toerana ity fa tetika ny SEIMAD, na ilay orinasam-panjakana misahana ny fanamboaran-trano eto Madagasikara ihany io, fa tsy misy idirany amin’ny fikarakarana ity fihaonana ity velively. Natao ren-tany sy ren-danitra anefa izany fa io toerana io no handraisana ny fihaonan’ny frankôfônia. Rehefa tsy vita ny asa dia noenjehina sy notoriana ary nesorina tamin’ny asany ny tale jeneralin’ny Seimad ramatoa Olivia Ratsiferana, volana vitsy lasa izay. Tamin’io fotoana io koa no nilaza ny teknisianina avy amin’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany fa tsy ho vita amin’izany faha 23 novambra 2016 izany ny asa ao amin’ity toerana ity na inona na inona fomba hatao. Misy amin’izy ireo mihitsy ny manamafy fa raha haingana indrindra dia ny volana janoary 2017 vao ho vita izany. Dia niarahina mahita io ankehitriny fa mikatso tanteraka ny asa. Voatery nidina teny amin’ity toerana ity ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina nijery ifotony ny zava-misy marina. Toa izany koa no nidinany teny amin’ny fotodrafitrasa hafa toa ny lalam-be Ivato-Antananarivo sy ny seranam-piaramanidina teny amin’ny BANI (Base aéronavale d’Ivato) izay misy ny tafika an’habakabaka malagasy. Samy tsy misy vita avokoa izy ireo, nefa mbola misisika hatrany ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny governemantany amin’ny fanatanterahana ity raharaha ity. Raha ny resaka mandeha aza dia misy amin’ireo minisitra ireo no tsy mety manome ny heviny intsony mahakasika ity fihaonambe ity fa sao dia miteniteny foana hono. 

Marobe no zavatra azo lazaina fa hodinganintsika izany, fa mivoaka indray izao ny vaovao nafenina tamin’ny fahatongavan’ny delegasionina avy amin’ny firenena 15 izay mpisolo tena ny rehetra amin’ny tombana mahakasika ny fandraisan’i Madagasikara ity fihaonana tampon’ny frankôfônia ity. Naharitra andro vitsivitsy izy ireo tamin’ny faraparan’ny volana aogositra lasa teo iny. Ny raharaha diplaomatika toa itony moa dia matetika misy fomba ilazana azy amin’ny fomba hafa raha toa ka tsy tsara loatra ny fahitana azy. Ny fanambarana nataon’ny fanjakana dia milaza fa mizotra tsara ny fihaonan’ny roa tonta. Fa tamin’ny fivoriana farany izay nataon’izy ireo teo amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny tetsy Anosy, araka ny voalazan’ny mpiasan’ity ministera ity izay nanome ny vaovao momba izany dia zavatra hafa tanteraka no nitranga hoy izy. Tezitra mafy tamin’ny firenena Malagasy ireto delegasionina ireto. Tsy araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra ary tsy ampy ny fikarakaran’ny mpitondra Malagasy. Misy mihitsy no milaza fa tokony hafindra any amin’ny toerana hafa ity fihaonana ity. Dia valalanina indray ny olona naheno ny filazana satria tsy fantatra intsony izay tena marina. Santionany amin’ny laingalainga sy fitapitaka madinidinika mitranga amin’ny fanomanana ity fihaonana ity izany. Tsy maintsy mitrandraka ny tsy hitan’ny vahoaka izahay mpanao gazety mba hahitana ny marina sy ny hahalalana ny vaovao tokony ho fantatra.

Manamboatra ny sain’ny vahoaka Malagasy ny mpikarakara ity fihaonana ity izay miaraka amin’ingahy Mamy Rajaobelina ankehitriny, ka miezaka manome vahaolana. Manatrika fivoriana mahakasika ity raharaha ity any Paris amin’izao fotoana izao ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Mbola fifandresen-dahatra sy fahavonona hatrany no voalaza fa arovany amin’izany. Kely dia kely anefa ny finoan’ny rehetra fa handeha araka ny tokony ho izy ity fivoriana ity.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire