Symbione Power: Hiverina ny delestazy fa tsy nahaloa vola ny Jirama

Tamin’ny faramparan’ny volana aogositra 2016 lasa teo dia namely mafy be ny delestazy  avy amin’ny Jirama teto amin’ny faritra Analamanga. Izany dia noho ny tsy fahavitan’ny Jirama sy ny ministeran’ny vola ary ny ministeran’ny angovo ny volan’ny orinasa Symbione Power izay mpamatsy ny herinaratra amin’izao fotoana izao. Misy toerana izay nahatratra hatrany amin’ny adiny 10 mahery tany ho any ny fahatapahan’ny jiro noho izany. Hatramin’ny rano avy no tapaka tamin’io fotoana io satria tsy misy manodina ny jiro hampiasana amin’izany etsy Mandroseza. Nisy anefa ny fifanatonana teo amin’ny fanjakana sy ny orinasa ity izay natao tao amin’ny ministeran’ny vola tetsy Antaninarenina mba hitadiavana vahaolana amin’izany satria tsy manambola hono ny fanjakana ka nangataka andro. Rehefa vita ny fifandaminana dia nalefan’ny Symbione Power indray ny jiro. Tao anatin’ny tapa-bolana izay dia nandeha tsara izany ary azo lazaina fa afaka niasa tsara ny mpanjifa ao amin’ny Jirama rehetra. Voalaza anefa ankehitriny fa tsy voaloa indray izany vola izany satria tsy mety mandoa ny ministeran’ny vola sy ny ministeran’ny angovo. Ny taratasy rehetra ilaina amin’ny fandoavam-bola tokony hataon’ny fanjakana nefa dia efa vitan’ity orinasa ity avokoa ary narahany an-tsakany sy andavany ny fifanekena tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny dia mbola tsy nandray vola ny mpiasan’ny Symbione Power efa ho roa volana izao. Mpiasa miisa hatrany amin’ny 60 any ho any no mijaly noho izany. Ny fanjakana koa tsy mandoa ny tokony haloany amin’ity orinasa ity na kely aza. Noho izany dia nisy ny fivorian’ny mpiasa ao amin’ny orinasa fa  raha toa ka tsy misy ny fandoavana ny vola ity dia hotapahina indray ato ho ato ny milina mpanodina herinaratra izay an’ity orinasa ity. Vokatr’izany dia tsy maintsy ho mafimafy indray ny fahatapahan’ny jiro amin’ny Jirama atsy ho atsy. Mety ho amin’ny herinandro ambony izany nefa mety ho androany na ho rahampitso koa hoy ny loharanom-baovao.

Tsy mazava tanteraka moa ny raharahan’ny Jirama ity fa feno politika lalina ataon’ny fanjakana sy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Mandeha aza ny resaka fa fanahy iniana ataon’ny fanjakana izao mba hahazoany milaza fa tsy mahomby ity orinasa ity ka hosoloina indray. Maro dia maro tokoa no te handray ity orinasa ity ny mpandraharaha vahiny sy ny Malagasy ary ny karana ka dia ho hitantsika eo indray ny tohiny.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire