Morondava : hidina an-dalambe ny vahoaka anio
Raha tsy misy ny fiovàna farany dia fantatra araka ny loharanom-baovao any an-toerana fa hidina an-dalambe hanao fihetsiketsehana ny mponina ao Morondava amin’ity anio ity. Tanjon’ny fitokonana ny fanehoana tsy fankasitrahana ny fomba fitantanan’ny ben-tanàna, Kolo Frijof. Raha ny fanazavana azo dia antony maromaro no mahatonga ireo mponina hidina an-dalambe, eo aloha ny fitantanana ny tsena izay tsy misy mandeha amin’izay laoniny satria sady maloto ny toerana no manjaka ihany koa ny gaboraraka. Mazava hoazy fa mahasorena ireo mpivarotra izany toe-javatra izany ka nanapakevitra izy ireo ny hidina an-dalambe haneho izay tsy fahafaliana izay. Anisan’ireo tsy faly amin’ity ben-tanàna ao Morondava ity ihany koa ireo mpanjono sy mpivarotra trondro ao an-toerana. Fantatra fa nisy ny fandraràna avy amin’ny kaominana amin’ny fivarotana trondro ary nisy mihitsy aza mpivarotra trondro vitsivitsy no nosamborina ary nampidirina am-ponja rehefa tsy nety nanaraka ny fandaminana . Tahaka izay koa ireo tompona Bajaj izay miasa manao fitaterana ao tampon-tanànan’i Morondava dia tsy faly amin’ny kaominina mihitsy satria sady takiana patanty izy ireo no hangalana “droit de stationnement” kanefa tsy misy akory ny toerana manokana na toby fiantsonana ho an’ireto Bajaj ireto. Ny farany kosa dia mikasa ny hanangana trano fivoahana na WC amin’ny toerana iray amoron-dranomasina ao Anosikely ny kaominina kanefa ity toerana ity izay vao avy nodiovina ary nanaovan’ny fokonolona fombafomba. Ho an’ireo mponina moa dia fanivahivana ny fomba sy ny kolontsain’izy ireo ny fametrahana izany trano fivoahana izany. Tsara ihany ny manamarika fa ny ben’ny tanàna ao Morondava, Kolo Frijof, dia manana firazanana vahiny na metisy moa no tena hilazana azy. Asa izay mety hitranga any an-toerana amin’ity anio ity satria azo antoka fa tsy hitaza-potsiny ny mpitandro ny filaminana raha toa ka tena hisy tokoa izay fidinana an-dalambe izay.
F.T.