Filoha Hery Rajaonarimampianina: Tsy menatra ny mandainga

Ny alarobia 14 septambra teo no nanatrika ny fisokafan’ny JFEN (Journée de la Francophonie Economique et Numérique) tany Parisy, renivohitr’i Frantsa, ny filoham-pirenena Malagasy, Hery Rajaonarimampianina. Atrikasa izay karakarain’ny OIF na ny fivondronamben’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay. Amin’izao fandalovana any Frantsa izao dia nanararaotra nanao “interview” manokana ny filoha Malagasy ny televizionina frantsay TV5 Monde. Tamin’ny ankapobeany dia ny resaka frankôfônia sy ny tontolo ara-politika sy ara-toekarena eto Madagasikara no nametrahan’ilay mpanao gazetin’ny TV5 Monde fanontaniana. Ny zavatra tsapa raha nihaino ny resaka nataony dia tsy menatra ny madainga mihitsy i Hery Rajaonarimampianina, na eto amin’ny firenena, na any ivelany any. Tao anatin’izay tafatafa tamin’ny mpanao gazetin’ny TV5 izay dia nametrahana fanontaniana ny filoha Malagasy amin’ny hoe inona ny vokatra azo tsapain-tanana teo amin’ny lafiny fampandrosoana tao anatin’izay roa taona mahery nitondrany ny firenena izay ? Nilaza moa i Hery Rajaonarimampianina raha namaly izay fanontaniana izay fa ny 80 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara dia tantsaha avokoa ka ny fampandrosoana ny sehatry ny  fambolena no nataon’ny fanjakana laharam-pamehana. Tsy nisalasala ny filoham-pirenena Malagasy raha nilaza fa tena nahitam-bokany tokoa ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana teo amin’izay sehatra ny fambolena izay ary misy aza ireo faritra sasany, tahaka ny any amin’iny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny dia nitombo avo telo heny avokoa ny vokabarin’ny tantsaha. Mazava hoazy fa diso tanteraka izany teny ataon’ny filoham-pirenena satria ny rehetra dia mahita fa tsy misy izany fandrosoan’ny tontolo ambanivohitra araka ny voalazan’i Hery Rajaonarimampianina izany fa ny mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy. Na ny mponina  eto andrenivohitra, na ny mponina any ambanivohitra dia samy mitaraina avokoa amin’izao fotoana izao noho ny fahasarotan’ny fiainana.  Tsy nisy izany fijerena manokana ny tantsaha eto amitsika izany tao anatin’izay roa taona sy tapany izay ary porofon’izany dia vaomaika miha mahantra izy ireo tao anatin’ity fitondrana ity. Ho an’ireo mpamboly dia mbola olana lehibe ny resaka zezika amin’ny famokarana sy ny lalam-barotra ary ho an’ireo mpiompy kosa dia ataon’ny dahalo mahita faisana. Raha tena mandroso tokoa ny tontolo ambanivohitra, indrindra fa ny fambolena, maninona no mbola manao antso avo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanampy ireo Malagasy tratry ny kere any Atsimo ny FAO na ny sampandraharahan’ny firenena mikambana ho an’ny sakafo sy ny fambolena. Tsiahivina ihany fa araka ny tarehimarika navaokan’ny FAO tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo dia mahatratra hatrany amin’ny 6 hetsy sy 1 tapitrisa amin’izao fotoana izao ny isan’ireo mponina miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo ankehitriny ary azo antoka fa mbola hitombo izany isa raha tsy misy ny fepetra raisin’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny fotoana fohy. Mazava hoazy fa mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tao amin’ny televizionina TV5 ny tatitra nataon’ny FAO izay tena mampiseho fa mihaina ao anatin’ny fahasahiranana lalina sy hanoanana ny Malagasy amin’izao fotoana izao, indrindra fa ireo mponina any ambanivohitra izay tsy hitan’ny fanjakana. Raha ny resaka nataon’i Hery Rajaonarimampianina nandritra izay fivahinianany tao amin’ny TV5 Monde izay dia tahaka ny mandeha tsara araka ny tokony ho izy avokoa ny zava-drehetra eto amin’ity Madagasikara ity fa tsy misy olana mihitsy. Na eo aza ireo olana maro samihafa eo amin’ny fananganana ireo fotodrafitrasa amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony ny OIF ny faran’ny volana novambra izao dia nilaza ny filoham-pirenena fa vovonona tanteraka amin’ny fandraisana ity fivoriana iraisam-pirenena lehibe ity i Madagasikara ary tsy misy ny olana. Efa fomban’ny mpitondra ankehitriny mihitsy moa ny fandaingaina sy ny famitaham-bahoaka ary mbola izay hatrany ny fomba entina hitantanana ny firenena.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire