Inty sy Nday:Ampy zay !
Olana iray tsy mbola voavahan’ny fitondrana ankehitriny ny olana mangeja ny Jirama ka miteraka ny delestazy na ny fahatapahan’ny herin’aratra (coupure). Isaky ny misoka-bava ny tompon’andraikitra, na ny ara-panjakana na ny eo anivon’ny Jirama, dia matetika imolotr’izy ireo ny hoe “efa tsy maharaka ny filan’ny mpanjifa intsony ny herin’aratra azon’ny milin’ny jirama vokarina”, na koa hoe “efa antitra ka tsy maintsy kenakenaina ny milina mpamokatra herin’aratra eo ampelan-tanan’ny Jirama”. Indraindray dia mamorona mihitsy ry zareo fa “tsy ampy ny vola”, na “nisy fahasimbana ny milina tary, na nisy fahavoazana noho ny rotsak’orana be loatra ny tany Andekaleka, sy ny maro hafa….
Raha vao nandalo teto tamin’ny taon-dasa ny iraky ny Tahirim-bola iraisampirenena (Fmi) ka nametraka fepetra hoe “foano ny fanampianareo fanjakana ny orin’asa Jirama sy ny Air Madagascar”, dia isan’ny nitondra fanamarihana ny maro fa “tsy rariny izany satria orin’asam-pirenena ireo, ary ny vahoaka no tsinjovina fa tsy ny sitra-pon’ny mpampanjan-bola iraisampirenena no tsy maintsy iankohofana eto”.
Ny Jirama indrindra, dia tokony ahian’ny fanjakana hatrany eo amin’ny fampihodinana azy, satria iaraha-mahita fa efa antitra avokoa ny milina mpamokatra herin’aratra ao ka tsy afaka miantoka ny filan’ny mpanjifa. Lasa mamelona ny orin’asan’ireo vahiny mpamokatra herin’aratra mantsy ny vahoaka Malagasy, nefa mba misy ny Jirama ihany azon’ny fanjakana hitsinjovana vahoaka. Ny orin’asa Fraise sy ny vondrom-barotra an’ny Amerikana eny Mandroseza mantsy no mahazo tombontsoa goavana amin’ny famokarana herin’aratra eto satria voatery mividy herin’aratra amin’izy ireo ny Jirama, ary mamono antoka mihitsy satria tsy ho zakan’ny vahoaka mpanjifa ny vidy ivarotan’ireo orin’asa ireo ny herin’aratra amin’ny Jirama.
Mandra-pahavitan’ny fotodrafitrasa momba ny famokarana herin’aratra azo havaozina izany na famokarana herin’aratra mba moramora masokarena, dia tsy maintsy manampy ara-bola ny Jirama ny fanjakana. Volam-bahoaka rahateo no anampian’ny fanjakana ny Jirama fa tsy an’ny Fmi.
Ny Fmi anefa dia manery na mandrara ny fanjakana tsy hanampy afa-tsy 300.000 tapitrisa ariary (300 Miliara) ny Jirama. Ny mahagaga, hoy isika teto, dia tsy mba miloa-peo mihitsy ny Fmi eo anoloan’ny vola avoakan’ny fitondram-panjakana ao amin’ny kitapom-panjakana amin’ireo raharaha hafa izay sady tsy mamokatra no tsy mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka. Na ireny fivoahan-dava ataon’ny mpitondra mankany ivelany ireny aza ange ka efa fandaniam-bolam-panjakana satria vola vahiny no entin’izy ireo mivoaka fa tsy hoe misy miantoka izy mankany e ! Dia tsy ahenoam-peo ny Fmi hoe “mandany volam-panjakana”. Amin’izao fotoana àry dia re fa mampiaka-peo ny Jirama sy ny tsara sitra-po ka mitaky mba tsy hianona amin’ny 300.000 tapitrisa ariary ho fanampiana azy ny fanjakana. Tsy tokony hanaiky hogejain’ny Fmi izany fa tokony hijery izay mahasoa ny vahoaka. Etsy an-kilany, takiana kosa anefa ny fitantanana hentitra tsy mampanjaka gaboraraka ao amin’ny Jirama, ary ny kolikoly avo lenta ao, mba hatsahatra koa satria isan’ny mahatonga an’io orin’asa io tsy nahitan’ny vahoaka tombontsoa teto izany. Tsy azo ekena intsony koa ny fihazakazahan’ny mpitondra mandoatra vola ao amin’ny Jirama rehefa misy raharaha ivelan’ny raharaham-panjakana ataony ka ilàn-dry zalahy vola (raharaham-pianakaviana, fampielezan-kevitra politikan’ny mpitondra, filana fotsiny izao…) Raha tsy izany dia tsy hiaro ny Jirama ny vahoaka fa hanao anaty sobika tokana azy amin’ny mpitondra fanjakana ka ho iray vala, samy ho fahavalom-bahoaka eto.
Ralay