Fitsidihana tao Mahajanga : narovana mafy ny filoham-pirenena
Tsy fantatra izay tena antony nandraisana ny fepetra farany izay tena entitra fa raha ny hita tao Mahajanga omaly dia narovana mafy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina raha nitsidika ity tanàna ity. Efa betsaka ihany ireo tanàna notsidihan’ny filoha tao anatin’izay 2 taona sy 7 volana nitondrany ny firenena izay fa tamin’ity tao Mahajanga omaly ity kosa dia hita fa somary niavaka raha hampitahaina amin’ireo fitsidihana rehetra teo aloha. Marihana fa fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy, ao anatin’izany ohatra ny efitrano fampianarana miisa 2 ao amin’ny EPP an’Ampisikiana no nataon’ny filoham-pirenena tao andrenivohitry ny faritr’i Boeny omaly. Teo amin’ny vavahady fidirana tao amin’ny “complexe sportif”, izay nanaovan’ny filoha ny kabariny dia entitra ny fisavàna ireo olon-tsotra niditra tao amin’ity toerana ity ary tsy nisy navahana fa voasava avokoa ny rehetra. Hatramin’ireo “banderole” misy sora-baventy izay nentin’ireo olon-tsotra avy amina fikambanana samihafa dia nosavain’ny mpitandro ny filaminana tsara daholo vao nahazo nampidirina. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana aza dia nosakanana tsy hiditra ireo olom-pirenena izay heverina fa mety haneho fahatezerana na tsy mankasitraka ny filoha. Asa moa raha misy hifandraisana amin’ilay raharaha fisavàna ny tranon’ny solombavam-bahoaka Rahantanirina Nina izay voafidy tao Mahajanga no nahatonga izao fiarovana mafy ny filoham-pirenena izao. Natahotra angamba ny mpitondra fa mety tsy nankasitraka izany fihetsika feno fampihorohorona natao tamin’ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana izany ny mponina ka mety hanao karazana valifaty tamin’izao fandalovan’ny filoham-pirenena izao. Raha ny fantatra mantsy dia betsaka amin’ireo mponina ao Mahajanga no mpankafia ny solombavam-bahoaka Nina Rahantanirina ka tohina tamin’ny fihetsikiny fitondram-panjakana tamin’ny fisavàna ankeriny ny tranony etsy 67ha. Raha ny mikasika ity raharaha ity moa dia nilaza ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena omaly fa efa mandeha ny famotorana ireo polisy nanantanteraka ny “perquisition” na ny fisavàna ny tranon’ity solombavam-bahoaka ity.
F.Tsihiavonana