Fitantanam-panjakana: Tetika efa nampahantra no ifotoran-dRavalo sy ny filoha Hery
Manara-maso ny fihetsiky ny mpisehatra politika eto ny maro. Amin’ny ankapobeny aloha dia tsy vitsy amin’ireo milaza azy fa hampandroso an’i Madagasikara no tsy manana hevitra hafa ankoatry ny fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra iraisampirenena. Na ny efa eo anivon’ny fitondrana na ireo izay efa nitantana ka mbola maniry hiverina eo, na ireo tsy mbola teo nefa miandrandra hahazo ny fahefam-panjakana.
Azo ambara ho voalohany amin’ireny Ingahy Ravalomanana sy ny filoha Rajaonarimampianina ankehitriny.
Isaky ny miresaka mantsy Ingahy filoha ankehitriny dia tsy maintsy voalazany sy avoitrany hatrany ny hoe “efa tafaverina amin’ny lamina voalazan’ny lalampanorenana izahay Malagasy”. Ny tiany hambara amin’io dia ny hoe “efa olona nofidiana araka ny voasoritry ny lalampanorenana any aminay ny mitantana ny tany sy ny fanjakana any amin’izao fotoana”.
Tsy inona akory no mahatonga azy hanao izay fanamarihana izay fa ny fiankohofana amin’ny mpampanjana-bola iraisampirenena.
Te hanipika izy fa “tsy toy ny tamin’ny fotoanan’ny tetezamita intsony ny any Madagasikara izao, izay fitondrana tsy nanaraka ny lalampanorenana no nitondra tamin’izay, ka tsy ifanomezan-tsiny raha tsy nampisamborinareo vola izahay Malagasy.”
Ny tsy tokony hadinoina anefa aloha dia izy Rajaonarimampianina Hery dia isan’ny mpitondra tao anatin’ny tetezamita , nanomboka ny volana septambra 2009. Izany hoe isan’ny tompon’andraikitra amin’izao fihomboan’ny fahapotehan’ny firenena izao i Hery Rajaonarimampianina, ary tena isan’ny lohandohan’ny mpisorona tamin’ireo tompon’andraikitra aza satria minisitry ny vola.
Sarotra moa ny handeha hiverina any amin’ny 2009 fa izahay manokana dia resy lahatra fa raha nijoro hatramin’ny farany nitana ny hevitra fototry ny hetsi-bahoaka ny mpitondra tafakatra teo amin’ny tetezamita tamin’ireny 2009 ireny ka tsy nanaiky ny hitsofotsofohan’ny fianakaviambe iraisampirenena tamin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy, na Sadc anarany, na Vondrona Afrikana iantsoana azy, na Vondron-tany mampiasa ny teny frantsay iantsoana azy, na Firenena Mikambana izy na zovy, dia tsy ho toa izao ny fandehan’ny fiainam-pirenena teto fa tena niroso tamin’ny fampiharana sy fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka teto, dia ny firosoana tamin’ny tena fiovana sy fanovana.
Jereo ange e! Sady tsy nomeny vola hahafahantsika miarina isika Malagasy nefa nopotehiny ny vokatry ny hetsi-bahoaka ho amin’ny tena fiovana tsy miankin-doha amin’ny any ivelany.
Averimberinay hatrany fa noho ny faneken’ny mpitondra teto ny fianakaviambe iraisampirenena nitsabaka tamin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy, nefa i Madagasikara ambara fa manana ny fiandrianampireneny sy ny fahaleovantenany, dia izao fihomboan’ny fahapotehana navelan’ny fitondrana rehetra talohan’ny 2009 izao no iaraha-miaina.
Noho izany, foto-kevitra isan’ny namoehitra teto hatramin’ny tetezamita ka hatramin’izao fitondrana tarihin-dRajaonarimampianina izao ny fiankinan-doha sy fiankohofana ary fiandrandrana vola avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena. Io no nahatonga ny mpitondra tamin’ny tetezamita ho nanaiky novozonana sy nandohalika teo ampoto-tongotry ny mpampanjana-bola eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena; ka ninia nanao zinona koa ny hetahetam-bahoaka ho amin’ny tena fiovana.
Dia izao mbola tohizan-dRajaonarimampianina izao hatrany, ary tsy mahagaga raha tsy ahitan’ny vahoaka mangirana ny tontolom-pitantanany ny raharahaIram-panjakana amin’izao fotoana.
Iray ihany Ravalomanana sy Rajaonarimampianina
Raha manara-maso ny tontolon’ny foto-pisainan-dRajaonarimampianina sy ny mpiara-dia aminy isika dia hahatsapa an’izay fiankohofana sy fiandrandrana ary fiankinan-doha tanteraka amin’ny vola avy amin’ny mpiara-miombona antoka eo amin’ny iraisampirenena izay.
Nomeny lamosina ny vahoaka niandrandra fiovana fa lasa izy nanohy ny lalan-diso efa niarahan-dry zareo nitantana ny firenena nandritra ny tetezamita, ary nanamafy koa aza ny fampiankinan-doha an’i Madagasikara teo ampototongotry ny mpampisambo-bola iraisampirenena efa nandetehan-dRavalomanana sy ny fitondrana talohan’izany an’ity Madagasikara sy ity vahoaka Malagasy ity.
Dia io fa mbola arangarangan-dRavalomanana ihany koa izany foto-kevitra efa namono sy namotika ny vahoaka malagasy tamin’ny fotoana nitantanany sy ny talohan’izany.
Vao tamin’ny talata Ingahy Ravalomanana izao no nanambara ny fomba fahitany ny raharaham-pirenena Malagasy. Dia naverimberiny hatrany ny fiankinan-dohany amin’ny fianakaviambe iraisampirenena, ny fampandohalihana ny vahoaka malagasy eo anoloan’ny mpampanjana-bola iraisampirenena. Loza izany!
Tena mihevitra an’ity vahoaka malagasy ity ho dondrona sy kentrina na Ravalomanana na Rajaonarimampianina, satria heverin-dry zareo fa mitady izany mpampisambo-bola iraisampirenena izany hanavotra azy ny vahoaka. Eritreretin’izy roalahy ireo fa mivavaka amin’ny fianakaviambe iraisampirenena toa azy ny ambanilanitra eto, ka hoe ireo ihany no ho antoky ny fialantsika Malagasy amin’izao fahantrana izao.
Tsorina ny resaka fa ny vahoaka Malagasy izao dia resy lahatra fa ny fianteheran’ny mpitondra amin’ny vahoaka sy ny fitokisana ny vahoaka Malagasy no teboka voalohany antoky ny fanavotam-pirenena. Ny teboka faharoa dia ny fahatsapan’ny rehetra fa azo ianteherana tsara amin’ny fanaisorana an’i Madagasikara sy ny vahoaka ao aminy ao anatin’izao lavaky ny fahantrana lalina misy azy izao ny harem-pirenena misy eto, ary mbola azon’ny taranaka faramandimby hianteherana koa aza.