Inty sy Nday: Ny efa namotika tsy afaka hanangana!
Fironan-kevitra somary nahazo vahana tato ho ato, ary karazan’ny voizin’ny namana mpanao famakafakana politika sasany amin’ny haino aman-jery aza ny hoe “fanorenana ifotony” na “refondation”. Ny firenena no resahina amin’io. Ka rehefa hiroso tokoa amin’ny fanorenana ifotony ange izany, dia toy ny manangana trano vaovao e! Mandrava hatrany ifotony aloha. Ka mba hahazoana antoka ny ho faharetan’ny trano vaovao hatsangana dia tsy misy ampiasaina ho akora na kojakoja hoenti-manarina azy intsony ireo efa niteraka ny fahapotehan’ilay trano fahiny: Olona, rafitra, fomba fisainana, politika, foto-kevitra…
Raha mbola misy farasisan’ny trano teo aloha enti-manangana sy manorina vaovao dia ahiana tsy haharitra araka ny niheverana azy ilay trano vao hiorina.
Noho izany, ny foto-pisainana sy fomba amam-panao na politika, na olona, izay mbola manimanina ny tongolon’i Ejypta, mbola te handova ny rafitra faha-mpanjanaka, mbola te hanohy ny fitiavan-kely, mbola te hanamafy ny fandrobana ny harem-pirenena sy ny tsikombakomba miaraka aminy, izay rehetra mieritreritra ny hanan-karena amin’ny alalan’ny kolikoly (na avo lenta na iva lenta), izay mbola te hitavandra amin’ny tsikombakomba etsy sy eroa, sy ny maro tsy ho voatanisa, dia tokony handray fanapahan-kevitra amin’izay izy ireny fa tapitra manomboka izao izany fa efa tsy hanaiky lembenana ny hitohizan’izany na mbola hahazoan’izany vahana sy sehatra eto ny vahoaka.
Raha ampitahaina amin’ny fanorenana trano koa ny fanorenana firenena dia azo alaina sary an-tsaina hoe “matoa narodana dia azo antoka fa nisy tsy fetezany tao, raha tsy mbola simban’ny fahanterana”. Azo eritreretina koa fa nisy sokajin’olona tsy nahay nonina tamin’ilay trano nandritra ny fotoana maro tao ka niteraka ny fahasimban’ilay trano.
Ka raha handrodana an’ilay trano ka hanangana azy ho vaovao hatrany ifotony indray, dia lojika koa raha mihataka amin’izay olona tsy nahay nanangana na olona tsy nahay nikojakoja ny fisainana, mba hananana trano mateza sy voakojakoka.
Tsy misy valaka amin’izany koa izao fiheverana hanorina firenena hatrany ifotony izao. Tsy maintsy olona tsara sitra-po ny miandraikitra izany fa tsy azo anaovana fihetseham-po ka ny maha-havana na maha-fianakaviana na ny naha-mpiara-nianatra ny olona iray no hanosehana azy hiakatra eo amin’ny fikarakarana ny fanorenana an’ilay firenena.
Maro ny olona tsara sitra-po, manam-panahy, manana fahendrena, matsilo, manana herim-po sy fahavononana hanarina ny firenena, ka tsara sy mahasoa raha misintaka dia miady varotra na misisika amin’ny fananganana izay efa nopotehiny ireo rehetra efa nanana dian-tanana tamin’ny fampahantrana izao vahoaka izao sy tamin’ny fanamontsanana izao firenena izao.
Hita taratra fa efa tapa-kevitra ny vahoaka amin’izao fotoana fa tsy maintsy fongorina hatrany ifotony ny zavatra rehetra hatrizay fa namotika ny tontolom-pihariana teto, namotika ny vahoaka teto, ary zary lasa areti-mikiky ny firenena mihitsy.
Azo atao tsara ny mitanisa sy manonona ny anaran’ireo rehetra mbola velon’aina sy ny mpiara-tompon’antoka tamin’izy ireo teo amin’izay famotehana firenena izay, saingy ny vahoaka tsy atoro na tsy miteny aza izahay, ary izy rehetra ireny, na kaikerin’ny haromotan-toerana sy fahefana aza dia hahatsapa tena sy hahafantatra fa isan’ny tompon’antoka sy manana dian-tanana tamin’ny fampahantrana ny vahoaka sy tamin’ny famotehana an’i Madagasikara.
Ralay