Maroantsetra : Voasambotra i Mahavita Rodrigue

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny sabotsy lasa teo rehefa nokarohina tao aorianan’ny savoritaka izay nitranga tao amin’ny tanànan’i Maroantsetra, ny alakamisy 15 septambra lasa teo ilay mpandraharaha La Vanille antsoina hoe Mahavita Rodrigue. Ity farany izay nosamborin’ny polisy avy ao Toamasina ny marainan’ny alakamisy teo ka nahatonga ny fihoaram-pefy ny vahoaka tao an-toerana. Tamin’io andro io ihany no navotsotry ny polisy ingahy Mahavita Rodrigue rehefa nahita ny mponina nitroatra ary niditra an-keriny tao amin’ny biraon’ny  distrika. Tsiahivina ihany fa ity mpandraharaha La vanille ity izay sady ben’ny tanànan’ny kaominina Anjahana teo aloha dia  notorian’ny mpandraharaha iray izay niara-niasa taminy, antsoina hoe Eric Besoa. Araka ny voalazan’ity farany dia nisy ny vola mitetina 800 tapitrisa ariary no nampindraminy an’i Mahavita Rodrigue tamin’ny taona lasa kanefa tsy mety mamerina io vola io ity mpandraharaha ity ka izay no anton’ny fitoriana. Noho ny tsy fisian’ny polisy misahana ny heloka ara-toekarena na ny “police économique” ao Maroantsetra dia voatery tany Toamasina no napetraka ny fitoriana. I Mahavita Rodrigue moa izay manamafy hatrany fa tsy mitombina ny fitoriana natao taminy satria efa nomeny avokoa ny La vanille izay tokony omeny raha toa ka tsy misy ny vola hamerenana ny trosa. Raha ny fantatra dia nentina tamin’ny fiaramanidina manokana, niala tao Maroantsetra ary nihazo an’i Toamasina i Mahavita Rodrigue. Mazava hoazy fa ny fitsarana ao an-toerana no handray an-tanana ity raharaha ity.

F.T.

Ajouter un Commentaire