Andranomanelatra: Nitifitra taxi-brousse ny zandary, olona iray maty

Rehefa tsy ny dahalo mpanakan-dalana no manafika taxi-brousse eny amin’ny lalam-pirenena dia ny zandary indray no manao ny ataony ka mahafaty olona. Zava-doza no nitranga tao amin’ny fokontany Tombotsoa,  kaominina Andranomanelatra, distrika Antsirabe II, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka fahefany. Taxi-brousse iray avy amin’ny kaoperativa KOFIAM izay niala tao Fianarantsoa ny zoma hariva ary saika hiazo ny renivohitra no notifirin’ny zandary nanao sakana (Barrage routier). Vokany, mpandeha iray, raimpianakaviana 49 taona tao anatin’ilay taxibrosy no maty teo noho eo rehefa voatifitra tao amin’ny sorony, mpandeha iray hafa kosa no voatifitra ary naratra mafy tsaboina ao amin’ny tobim-pahasalamana ao Andranomanelatra. Raha ny fampitam-baovao nataon’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena dia tsy nety nijanona ity taxi-brousse ity rehefa nosakanana ka voatery tsy maintsy nitifitra ny zandary noho ny fiahiahiana. Efa nosakanana tamin’irony takela-by mampijanona fiara irony ity taxi-brousse Sprinter ity ary mbola nisy ny fampitandremana hitifitra avy amin’ny zandary kanefa tsy nety nijanona mihitsy ny fiara. Araka ny fampitam-baovao nataon’ny zandarimariam-pirenena ihany dia ny kodiaran’ilay fiara aloha no notifirina saingy vaomaika nirifatra nitsoaka. Marihana fa taxi-brousse miisa 6 izy ireo no niara-nanao ny “Caravane” tamin’io fotoana io ka ny fiara Sprinter iray no tsy nety nijanona. Izay moa no fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa raha ny fanazavana nomen’ny mpamilin’ilay fiara taxi-brousse voatifitra kosa dia tsy nieritreritra ny hitsoaka ireo zandary nanao sakana mihitsy ny tenany fa nieritreritra fa jiolahy mpanakan-dalana no nanakana ka izay no antony tsy nampijanona azy. Miisa 4 moa ireo zandary nanao ny sakana ary samy nanao fanamiana maha-zandary daholo ary  nisalotra ireny akanjo mazava alina ireny.

Tonga teny an-toerana mihitsy moa ny “Commandant de compagnie” ao Antsirabe taorian’ny loza nijery ifotony ny zava-misy. Efa nosokafana moa ny fanadihadiana momba ity raharaha nahafatesana raimpianakaviana iray ity ary raha ny loharanom-baovao dia voatazona ao amin’ny vodron-tobim-paritra ao Antsirabe ilay zandary nitifitra ilay taxi-brousse nanaovana famotorana. Efa nampodiana any Andranovorivato any Fianarantsoa ny razan’ilay raimpianakaviana niaran-doza ka ny zandariamariam-pirenena no nandray an-tanana ny fandaniana rehetra. Sarotra moa ny tena hafantarana ny tena diso tamin’ity raharaha ity na ilay mpamily, na ilay zandary nitifitra. Tsara ny manamarika fa nisy ny fijoroana vavolombelona tao anatin’ny tambazotra serasera, izay nataon’ny mpandeha iray tao anatin’ilay taxibrosy voatifitra, ity farany izay nilaza fa saika niteny avokoa ireo mpandeha tao anaty fiara fa zandary tena izy ireo manakana ireo ka tokony hijanona kanefa tsy norarahin’ilay mpamily. Na iza na iza aloha no diso tao anatin’ity raharaha ity dia olona iray tsy manan-tsiny no maty ary iray kosa naratra mafy ka tokony   hisy ny voasazy.

F.Tsihiavonana

Commentaires   

0 #1 sonarine 20-09-2016 20:24
est on en droit de tirer sur un véhicule de transport public qui refuse d'obtempérer?
Citer

Ajouter un Commentaire