INTY SY NDAY: Nankaiza ny akon’ny fampihavanam-pirenena?
Isan’ny ady hevitra be teto amin’ny tany sy ny fanjakana ity resaka Fampihavanam-pirenena ity, ary ny lalampanorenana manan-kery amin’izao fotoana aza dia mampanangana rafitra iray ho amin’izy io mihitsy.
Ilay lalàna novolavolain’ny komitin’ny manam-pahaizana momba an’io moa dia efa voarafitra ary efa voatolotra teny amin’ny Parlemanta, saingy variana tamin’ny fampahombiazana an’ilay lalàna famoretana ho amin’ny serasera sy ny fanehoan-kevitra ny sasany ka lasa nampandeferina izy io.
Fa na izany na tsy izany, misy olana koa any anivon’ireo rafitra tokony ho lohalaharana amin’izany fampihavanana izany.
Niala bala hatrany moa, ohatra, ny filohampirenena, raha oharina amin’izay navoitran’ny fehin-kevitry ny “Dinika ho amin’ny fampihavanana” teny Ivato, izay nokarakarain’ny Ffkm. Dia mody ataony litania ny hoe “iainana isanandro ny fihavanana”.
Ny Ffkm koa tratry ny olana anatiny, toy ny teo anivon’ny samy Fjkm tamin’ireny Raharahan’ny Pastora Rasendrahasina tratra tany amin’ny tranon-dopy ireny, sy iny fikarakarana ny Synoda lehibe tany Antsirabe iny. Ny Fiangonana Loteriana (Flm) koa iny vao nanao ny fivorian’ny Synoda farany teo iny…
Ny “Ffm” na “Filankevitry ny fampihavanana Malagasy” moa, na efa tapitra aza ny fe-potoana nofaritan’ny lalàna iasany (tondrozotra tamin’ny tetezamita), dia misy olana anatiny koa tao.
Ny hany niteniteny tao ho ato izao dia ireo mitonona ho gadra politika mitaky ny tambin-jony na ny fanonerana ny fahavoazany (???°).
Ingahy Ravalomanana dia karazan’ny efa nahazo ny notakiany. Tsy fampiharana aminy ny didim-pitsarana fa famotsoran-keloka tanteraka ho azy samirery, ohatra…
Dia ahoana izany ny ankoatra ireo? Ny mpitaky onitra aloha, mila fandinihana lalina satria tsy gadra politika avokoa ireo tra-pahavoazana e! Noho izany, misy amin’izy ireo tsy manana zo hahazo onitra.
Fa ny fampihavanam-pirenena amin’ny maha-rafi-pisainana (concept) madio azy koa aloha ahoana ? Havela ho toa izao fotsiny ve ny fiaraha-monina ankapoben’ny vahoaka Malagasy? Tsy hoe ny ady miteraka fifamonoana na fifandrafiana ihany ange no ilàna fampihavanana e! Ilàna fampihavanana koa ny fiaraha-mikatsaka ny tombontsoa, itovian’ny faritra, ohatra, ka fototr’izany ny tena fitsinjaram-pahefana marina. Efa endriky ny fampihavanana ny firenena Malagasy izany. Ny fitsinjarana ara-drariny ny harem-pirenena eto koa, toraka izany. Ny fifampifehezana matotra mba hitovian’ny lenta amin’ny tsirairay fa tsy hisy ny hahatsiaro ho tratra aoriana na iangarana…
Fa mbola ady hevitra tokony ananan’ny Filankevitry ny fampihavanana na ny Ffkm andraikitra koa ny mijery akaiky an’ity resaka famotsoran-keloka ity fa tsy mety mihitsy raha toa ny lalàna milaza fa “tsy azo anomezana famotsoran-keloka ny heloka noho ny fandripaham-bahoaka na ny fanodinkodinana volam-panjakana…, nefa hahazo izany ny sasany satria hoe nisy fifanarahana politika”. Ingahy Ravalomanana no voalohany amin’izany, ary ireharehany mihitsy fa “efa nisy fifanarahana politika tsy ahafahana mampihatra aminy ny sazy noho ny heloka vitany”….
Tafiditra ao anatin’ny foto-kevitry ny fanorenana ifotony koa io fampihavanana io, izay mifaningo-paka amin’ny fametrahana ny tena fanjakana tan-dalàna.
Tsy tokony ho diso fihevitra isika vahoaka hoe io “fampihavanana io no mamotika ny fametrahana fanjakana tan-dalàna”, satria raha tiana ny hampaharitra ny fihavanan’ny samy malagasy dia takian’izany ny tena fampanjakana ny tany tan-dalàna eto, ka na “amboako na amboan’olona, rehefa vandana dia kary”, ary “ny fanjakako tsy ananako havana”, hoy ny Ombalahibemaso izay.
Faralahy