Vahoakan’i Soamahamanina : mamatotra andraikitra ny mpitondra fanjakana
Hifarana rahampitso alarobia ny fe-potoana enina andro nomen’ny mponin ’i Soamahamanina any Itasy ny fitondram-panjakana handray fepetra momba ny fitrandrahana ny volamena any aminy endriny ankehitriny.
Ny filohampirenena mihitsy moa no nandefasan’ny mponin’i Soamahamanina ny hafatra, ary anjaran’ny filoha ny mitady ny vahaolana haingana fa tsy horaisina amin’ny hoe “manome fotoana, ka maninona?” Maro no mahatsikaritra fa tsy misy antony mihitsy tsy hitadiavan’ny fitondram-panjakana fomba hifam-
piresahana amin-kitsim-po amin’ny vahoaka any Soamahamanina, dia mifanazava. Ny fanamarihan’ny mpitazana maro dia ny hoe “na sinoa na eraopeanina na amerikanina na afrikana na Malagasy no mitrandraka harena eto, nefa itsikombakomban’ny fitondrana foibe ny resaka ka avelany ho tompon-trano mihono ny vahoaka any ifotony, dia tsy hisy vokatsoa ho an’ny firenena izay hatao fa lasa toy ny irika ikatsahan’ny mpitondra ny tombontsoany fotsiny, dia tsy ivakiany loha ny tohiny na ho voaroban’ny vahiny avokoa aza ny harena eto.” Manahy ny maro fa matoa ny fitondram-panjakana mihodinkodina sy miziriziry tsy mety mifanatrika
amin’ny vahoaka, na any Soamahamanina izany na amin’ny faritra hafa, dia nahazoan-dry zalahy volabe (kolikoly) ilay fifanarahana, ka menatra sy matahotra ry zalahy sao ho vaky barara eo ny resaka, na sanatria voatery hamerim-bola raha mitaky ny anjara-zony ny vahoaka. Nataon-dRavalomanana ange izany tamin’ny fifanarahana nifanaovana tamin’ireo tetik’asa goavana momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto, izay nitakian’ny rehetra ny vontoatin’ny fifanarahana fa hita ihany taty aoriana, dia io niharibary io fa 2% no anjaran’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy tompon’ny harena, fa an’ny vahiny mpitrandraka no betsaka, ary Ravalomanana dia isan’ny mioty tombontsoa ao, toy ny vahiny mpitrandraka, satria mpiara-miombona antoka amin’ny tompon’ireo tetik’asa goavana ireo. Tokony hifampiresahana amin’ny vahoaka ifotony (fa tsy ny olom-boafidy ihany na ny vato nasondrotry ny tany fotsiny) ny fananganana tetik’asa amin’ny toerana rehetra, ka isan’izany indrindra ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany toa izao. Marihinay hatrany fa tsy hanao fiharin’amboalahy antitra izany ny vahoaka ka hoe efa hitany fa hisy tombontsoa betsaka ho azy sady mivantana ho azy sy ny faritra onenany, nefa dia hanohitra bontolo an’iny izy. Ataovy mazava ny resaka dia miditra ho isan’ny tompon-draharaha amin’ilay tetik’asa ny vahoaka, ka na ny fifampiarovana eo amin’ny mpiray tanàna sy ny mpisahana mivantana ny
tetik’asa aza (na teratany Malagasy na vahiny) dia tsy hisy hahiana e!. Ny any Soamahamanina mantsy izao dia lasa araraotin’olona tsy fantatra amin’ny alalan’ny fampihorohoroana, dia ifanilihana sy ifampiampangana ny raharaha. Mbola averinay koa fa tsy hoe manararaotra akory fa raha tena ny tombontsoam-bahoaka sy ny fampandrosoana ny faritra no tena katsahina dia rariny raha omena ny sandany tena izy amin’izay tokony ho anjarany ny vahoaka. Ohatra : Tsy rariny raha milina solosaina iray na roa na telo no omena ho fampitaovana ny kaominina avy amin’izay orin’asa hitrandraka harena any, na bisikileta iray. Nisy aza, araka ny efa nambaranay teto, ranom-boakazo iray tavoahangy no nomena sy nanambatambazana an’ireo mponina mba hanome ny soniany ho fankatoavana ny tetik’asa, nefa ny tanim-boliny sy ny tanim-bariny na ny faritra tokony hohajariany na hiompiany no lasan’ilay tetik’asa.
Mba ataovy ara-drariny e !
Tsy amin’ny maha-sinoa an’ireo mpitrandraka fa na vazaha na afrikanina na amerikanina na Malagasy, hoy izahay, no manao fihetsika miendrika hafetsifetsena sy fandrobana dia omenay rariny raha mijoro manohitra izany ny vahoaka, ary tsy ilay orin’asa no toherina fa ny mpitondra fanjakana foibe nanome alalana an-dry zareo tamin’ny alalan’ny kolikoly avo lenta. Dia miandry ny fepetra horaisin’ny mpitondra fanjakana hatramin’ny rahampitso izany ny maro momba ity Raharahan’i Soamahamanina ity.