Silamo mahery vaika: Miaraka amin’ny dahalo
Maro ny silamo izay sokajian’ny olona fa mahery vaika ankehitriny izay tonga eto Madagasikara. Atahorana tanteraka ankehitriny ny korontana eto amin’ny firenena noho fidiran’ny silamo izay heverin’ny Malagasy amin’izao fotoana izao fa silamo mahery vaika ireo. Hatrany amin’ny distrika sy kaominina izay tsy nahitana silamo ankehitriny dia feno azy ireny avokoa. Ny ao Amoron’i Mania dia ahitana silamo avokoa ny distrika efatra ankehitriny raha toa ka tsy nisy izany ity toerana ity taona vitsy lasa izay. Mandeha be ny resaka amin’ity raharaha ity any an-toerana ka samy milaza ny fomba fahitany azy ny olona rehetra. Ny fitenin’izy ireo koa dia vitsy mpahalala mihitsy. Misy aza no manontany hoe fa maninona ny fanjakana no manome fahazoan-dalàna hidiran’izy ireny eto Madagasikara ka mivezivezy amin’ny toerana izay tiany haleha rehetra? Aiza ny sampan-draharaham-pitsikilovana Malagasy na ny CIS amin’izao fotoana izao? Inona no ataon’izy ireny satria zavatra maro no mampisalasala aterak’izany, ary mitondra ahiahy amin’ny mponina koa ka mila fanazavana tanteraka. Miantoka ny filaminana amin’ny tany sy ny fanjakana koa izany ankehitriny satria raha tsy voafehy sy voaaro hatraty amboalohany dia maro no manahy maro fa hitondra korontana eto Madagasikara izany tsy ho ela. Any ambanivohitra any amin’izao fotoana izao dia mandeha ny resaka fa misy efa mihaona amin’ny dahalo izy ireny ka mahatonga izao korontana any ambanivohitra izao. Ny fivezivezena misy amin’ireo voalaza fa silamo vaovao ary ahiana mafy ho silamo mahery fihetsika no isan’ny maro mpiresaka fa sarotra dia sarotra ny raharaha ankehitriny. Hita koa fa mikorontana ny fikambanan’ny silamo Malagasy. Misy tokoa ny silamo tranainy teto Madagasikara izay manaja ny fiaraha-monina nisy teto. Ankehitriny dia misy andian’olona izay manakorontana izany ka izao isian’ny ady an-trano izao ao amin’ny fianakaviam-ben’ny silamo Malagasy . Maro ny resaka mandeha amin’ity raharaha ity ka dia ho hitantsika eo ihany ny tohiny.
JB
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.