Tsy fandriam-pahalemana: Mitaky ny DAS ny vahoaka ambanivohitra

Mihetsika izay tsy izy ny asan-dahalo amin’izao fotoana izao. Ny faritanin’i Toliara sy Fianarantsoa no tena lasibatra amin’izany. Efa miakatra hatrany amin’ny Renivohitra ny distrika ny dahalo amin’izao fotoana izao, raha toa ny tontolon’ny ambanivohitra ihany no nanaovan’izy ireo ny asany teo aloha teo. Toy ny nitranga tany Betroka sy Sakaraha ary Ankazoabo sy Beroroha iny dia miaka-dapa ny dahalo ankehitriny . Efa iakaran’ireo dahalo koa ny renivohitr’ i Mahabo sy Antsalova ary Maintirano sy Morafenobe. Hatraty amin’ny faritr’i Bongolava ato amin’ny faritanin’Antananarivo koa dia miaina tanteraka ao anatin’ny fanafihana tanàna sy asan-dahalo saika ho isanandro ny mponina. Mamely mafy ny asan-dahalo ka mampikaikaika ny mponina izay tsy izy ankehitriny. Tsy hay tenenina intsony ny fanafihana ao Fianarantsoa renivohitra fa hatrany Ampasambazaha sy Antarandolo izay toerana ifamezivezen’ny olona tsy tapaka sy malaza indrindra aza dia matetika no lasibatra ny dahalo amin’izao fotoana izao. Tsy fanafihana amin’ny alina akory no misy amin’izany fa amin’ny atoandro be izao. Tena lalaovin’ny dahalo tanteraka ankehitriny Ikalamavony sy Ambatofinandrahana ary Manandriana. Hatramin’ny tanànan’Imady Ala izay nalaza tamin’ny firaisan-kina aza dia idiran’ny dahalo amin’izao fotoana izao, ka rava izany fiaraha-mientana nalaza fahiny izany.

Eo anatrehan’izany asan-dahalo izany dia nahatsapa ny mponina ireo fa tsy vitan’ny zandary intsony ny miantoka ny fandriam-pahalemana eny ambanivohitra manerana an’i Madagasikara. Ny zava-misy dia tsy mety mamonjy koka(fanafihana) intsony izy ireo fa miala olana hatrany raha toa ka miantso azy ireny ny fokonolona. Misy aza no mitady fomba hialana avy hatrany amin’ny fanarahan-dia ny omby very ireny, ka afaka adiny roa na telo aty aoriana vao tonga izy ireo. Raha amin’ny andro alina no manafika ireo jiolahy dia tsy mety mandeha mihitsy ny zandary. Miandry andro maraina hono vao afaka mandeha araka ny filazan’izy ireny, fa izany hono no baiko avy any amin’ny lehibeny. Maro koa ireo tambanivohitra no mitaraina fa raha misy ny fifandonan’ny fokonolona sy ny zandary amin’ny dahalo dia mazana hono no miala an-daharana ireto farany.

Izany indrindra ary ankehitriny no mahatonga ny vahoaka any ambanivohitra miantso vonjy amin’ny fanjakana ka mangataka ny hametrahana ny DAS (Détachement autonome de securité), izay avy any amin’ny tafika Malagasy. Voalazan’ny fokonolona fa izy ireny no sahy miady amin’ny dahalo ary afaka miaro azy ireo. Ny any amin’ny distrikan’i Manandriana sy Ambatofinandrahana ary Ikalamavony dia miandry mafy ny fahatongavan’ny DAS, na maniry mafy ny fanampiana ny efa misy any an-toerana satria efa tsy afa-miaro azy ireo intsony ny zandary any an-toerana. Toa izany koa ny any Imady Ala ao amin’ny distrikan’Ambositra izay ataon’ny dahalo mahamay koa amin’izao fotoana izao. Milaza moa ny tantsaha fa tsy mitaky na inona na inona amin’io fanjakana entin’ingahy Hery Rajaonarimampianina io raha tsy ny fiantohana ny fandriam-pahalemana any amin’ny toerana misy azy ireo. Ny fanjakana nefa toa tsy miraharaha izany, na koa malemy tanteraka eo anatrehan’ny fahamafisan’ny asan-dahalo. Misy mihitsy aza no milaza fa toa ny fanjakana no ao ambadika ny asan-dahalo ankehitriny.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire