Rivo Rakotovao: Mila mianatra ny atao hoe “antoko pôlitika”
Tsy mahagaga raha miha mitotongana tahaka izao ny firenena Malagasy satria olona tsy mahalala akory an’izany atao hoe antoko pôlitika izany no mitantana ny firenena, ary tsy vitan’izay ihany fa filoha nasionalin’ny antoko eo amin’ny fitondrana. Somary nanaitra ihany ny teny nataon’i Rivo Rakotovao, minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny fambolena sy ny fiompiana raha nivahiny tao amin’ny Radio Antsiva omaly. Tao anatin’izay tafatafa tamin’ny mpanao gazety izay dia nilaza ity filoha nasionalin’ny antoko HVM ity fa efa ao anatin’izao fitondrana mijoro ankehitriny izao avokoa ny hery pôlitika lehibe misy eto amin’ny firenena ary izany dia manaporofo fa misokatra amin’ny hafa ny filoham-pirenena fa tsy araka ny ambaran’ireo mpitsikera ny fitondrana. “Tsy marina ny filazana fa tsy misy olona avy amin’ny Mapar no mandrafitra ny governemanta tao anatin’izay roa taona mahery izay”, hoy i Rivo Rakotovao. Nilaza moa ny mpanao gazety tamin’io teny nataon’ny filoha nasionalin’ny HVM io fa efa tsy nanaraka ny fitsipika anatiny mifehy ny antoko ireo olona voalaza fa Mapar ao anaty governemanta ireo ka ahoana no mbola ahafahana milaza fa olon’ny Mapar izy ireo? Tsy nisalasala ingahy Rivo Rakotovao namaly ary nidrikina fa ny tsy fanarahana ny fitsipika anatiny dia tsy midika akory fa tsy mpikambana ao anatin’ny antoko intsony ireo olona mandika izany. Asa raha izany tokoa ve ny hatao hoe antoko pôlitika ho an’ireto mpitondra ny firenena eto amitsika ireto fa na aiza na aiza aloha eto ambonin’ity tany ity dia tsy misy sekoly na oniversite no mampianatra tahaka izay voalazan’ny filohan’ny HVM izay. Inona tokoa moa ny maha antoko pôlitika ny antoko pôlitika raha toa ka samy manao izay saim-pantany ny mpikambana tsirairay ao anatiny? Raha samy mitady ny tombotsoany ny tsirairay fa tsy manaraka ny foto-kevitra hijoroan’ny antoko ary tsy miraharaha ny hevitry ny birao nasionaly, indrindra fa ny hevitry ny filoha mpanorina azy dia inona no mbola antom-pisian’ny antoko? Izany no manaporofo fa tsy mahalala ny tena dikan’izany antoko pôlitika izany ingahy Rivo Rakotovao ka tokony hiverina hianatra raha toa ka efa nianatra izany tany aloha tany. Izany tokoa ny vokany rehefa olona tsy novolavolaina tao anatina antoko pôlitika ny mpitondra tahaka ny misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka lasa miteniteny foana rehefa miaro ny toerany befahatany. Iza amin’ireto mpikambana ao anatin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ireto tokoa moa no niaina tao anatin’izany fanaovana pôlitika izany talohan’ny niforonan’ny antoko? Ny rehetra dia mahalala fa nitsangana tao anatina kisendrasendra ny antoko eo amin’ny fitondrana ankehitriny ary saika olona niaina tany ivelany tany, na mpandraharaha avokoa no mandrafitra azy. Fanontaniana iray ihany no hapetraka amin’i Rivo Rakotovao, raha misy ve ny mpikambana iray ao anatin’ny antoko HVM no mitsipaka ny hevitry ny birao nasionaly, manao tsinontsinona ny
hevitry ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary miara-dia amin’ny Mapar dia mbola azo heverina fa mpikambana ao anatin’ny antoko tarihiny? Izany no manaporofo hatrany fa mieritreritra ny vahoaka Malagasy ho bado mihitsy ireto mpitondra eto amin’ny firenena ireto rehefa mahazo fitenenana amin’ny haino aman-jery. Sady tsy maharesy lahatra ny teny ambara fa miaro ny fitondrana befahatany. Sahy milaza ity minisitra ity fa tsy misy dikany ny fitsikerana tahaka izay natao tamin’ny akanjo nanaovan’ny vadin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha. Mba mivezivezy mankany ivelany ihany ingahy Rivo Rakotovao ary mijery sy mihaino ireo aman-jery vahiny kanefa dia sahy milaza fa tsy misy dikany ny fanakianana toy ireny. Mazava izany fa amin’ingahy filohan’ny HVM dia tsy misy olana ny fanaovan’ny vadin’ny filoham-pirenena akanjo mitetina hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary kanefa ny 90 isan-jaton’ny mponina dia miaina ao anaty fahantrana lalina.
F.Tsihiavonana