Inty sy Nday: Manana mpiaro mpisolo-vava mahafatra-po kosa !
Niteraka resa-be teo amin’ny sehatra maro, hatrany ampitan-dranomasina tany, ny nahavoarohirohy an’i Nivo Ratiarison, Talen’ny kabinetran’ny minisitry ny serasera. Ilay raharahan-taratasim-bola mitentina 3.400.000 ariary eo io, izay sandan’ny dokam-barotra tokony narotsaka tao amin’ny kitapom-bolan’ny Televiziona Malagasy, saingy nanaovan’ity talen’ny kabinetra ity ny “fahaiza-manaony” noho izy manana traikefa manokana. Tsy inona moa izany fa ny naninginana tamin’io taratasim-bola (chèque) io hoe “mazava atsinanana” na dia efa nisy soratra aza hoe “televiziona Malagasy”. Izany hoe nanao hosoka izany izy e! Lasa “Televiziona Malagasy Mazava Atsinanana” mantsy no voasoratra tao amin’ilay taratasim-bola. Dia mbola nasiany sonia sy soratra ihany koa tao andamosin’ilay taratasim-bola hoe “arotsahy ao amin’ny kaontin’i Nivo Ratiarison, araka ity laharana kaonty ity….”
Dia nanomboka niaka-tsehatra omaly Ingahy minisitry ny serasera, Razafindambo Andrianjato Vonison, nijoro ho mpiaro mpisolovava mahafatra-po an’i Nivo Ratiarison. Ny haino aman-jerim-panjakana no nataony fitaovana niarovana an-dRatiarison Nivo. Dia nambaran’ingahy “minisitra mpiaro mpisolovava” fa “ara-dalàna ny nataon’ny talen’ny kabinetrany”. Maromaro sady lavalava moa ny fanazavana nentiny tamin’izany fa raha akapoka ny tian’ny minisitry ny serasera nambara dia “tsy nanao heloka i Nivo Ratiarison”. Tsy nilaza koa izy hoe “efa notanaa amponja vonjimaika ity talen’ny kabinetrako ity na tsia”. Izahay manokana dia mahatsikaritra fa ry zareo eo anivon’ny fitondrana ihany no nanaparitaka ny sahoan-dresaka hoe “notanana am-ponja i Nivo Ratiarison”. Ny tanjon-dry zalahy dia mba hanamarinan-tena eo anoloan’ny maro fa “tsy mijery tavan’olona ny fanjakana, ary tsy manelanelana hanafaka ny namany, raha misy andraikitra raisin’ny fitsarana aminy”. Ny fitondrana Hvm ve dia azo inoana hoe nilatsahan’ny Fanahy Masina ka tsy nanana hevitra intsony hanelanelana ka hanindry ny mpitsara mba tsy hikitikitika ny olon’ny mpitondra…? Sanatria ve dia ho nanenina ny any an-dapa tamin’ny fanelanelanana ka namotsorana an’i Bekasy tany am-ponja? Efa ampoizin’ny maro aloha, raha ny momba an’ity raharaha mahavoarohirohy an’i Nivo Ratiarison ity, fa ho isan’ny olona tsy maty manota ny lehilahy, ary na ny zavatra nataony aza, araka ny fanazavana nataon’ny Minisitra Andrianjato dia “ara-dalàna”. Raha izany àry no fandehany dia tsy tokony hiresaka intsony an’ity raharaha Nivo Ratiarison ity intsony ny rehetra, indrindra ny haino aman-jery mbamin’ny gazety, satria mety hivadihan’ny rasa ka izay manohy mampisongadina ity raharaha ity no mety ho voarohirohy sy hiaka-midina eny amin’ny fitsarana, sady raha ny tokony ho izy dia efa tokony ho navoakan’ny filohampirenena ho isan’ny lalàna manan-kery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ilay “fehezan-dalàna famoretana” (code de repression) izay nampitondrain’ny maro anarana hoe “Lalàna Andrianjato” teo aloha teo. Tsetsatsetsa tsy aritra no anipihana fa isan’ny mpanao gazety mpanao famakafakana ny raharaham-pirenena nankafizin’ny maro i Vonison Andrianjato hatramin’izay, saingy asa na nisy inona na voan’inona izy fa hatramin’ny niakaran’ny filoha Rajaonarimampianina teo amin’ny fahefana maha-filohampirenena azy, dia isan’ireo olona vitsy nahazo avara-patana tany an-tranon-dry zareo Ingahy Minisitra sy i Nivo Ratiarison, ary dia tena toa “rano sy vary” tamin-dRamatoa tompon-trano, ary raha ny re aza dia hatramin’izao io fifampitokisana io.
Ny ho fitohizan’ny famotorana sy ny fahatongavan’ity raharaha Nivo Ratiarison ity eo anoloan’ny fitsarana ka mety haseho ho azon’ny besinimaro hatrehina izany aloha izao dia tena ho fahagagana toy ny vazaha misalaka, hoy ny maro.
D.R.