Mananjary: Telo lahy tratra nitondra vola sandoka 4 tapitrisa
Lehilahy miisa 3 no tra-tehaky ny zandary nitondra vola sandoka mitentina 4.700.000 ariary tao Mananjary, ny alatsinainy 19 septambra teo. Marihana fa telo herinandro lasa izay no nahazo vaovao avy amina olon-tsotra ny kaompanian’ ny zandarimariam-pirenena ao Mananjary amin’ny fisiana olona manana vola sandoka maro mivezivezy eran’ny tanàna. Rehefa nahazo izany vaovao izany ny zandary dia nanomboka nikaroka ireo olona ireo ka ny alatsinainy teo no voasambotra ireto farany. Tratran’ny velam-pandriky ny zandary moa ireto farany ka tao anatina hôtely iray izy ireo telolahy no noraisim-potsiny niaraka tamin’ny lelavola sandoka izay voalaza tery ambony. Fantatra tamin’ny fanadihadiana natao fa amidy 5.000 ariary ny vola sandoka 10.000 ariary ary efa betsaka ireo olona nandafosan’izy ireo izany tao an-tampon-tanànan’i Mananjary. Tsara ny manamarika fa anisan’ireo faritra nahatratrarana vola sandoka betsaka tao anatin’ny taona vitsy iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny, indrindra fa ao Mananjary. Efa nisy tany aloha tany ny tambazotra ravan’ny mpitandro ny filaminana kanefa mbola miparitaka ihany ny vola sandoka amin’izao fotoana izao.
F.Tsihiavonana