Lalao Ravalomanana : misy mitady hanongana
Efa ho iray volana izay no tsy nisy intsony ny fihetsiketsehana an-dalambe izay ataon’ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Analakely sy manodidina. Fihetsiketsehana izay mitsipaka ny fandaminana sy ny fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ankehitriny kosa, raha ny loharanom-baovao azo antoka, dia misy ny andian’olona mikasa ny hamerina ny fihetsiketsehana an-dalambe ary hitaky ny fialàn’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana eo amin’ny toerany. Raha ny fantatra dia ireo mpivarotra amoron-dalana efa nitokona ihany no betsaka amin’ireto olona mikasa ny hanongana ny ben’ny tanàna ireto fa misy koa ireo olona voakarama ka hiara-dia amin’ireo mpivarotra amin’io fotoana hanaovana ny fihetsiketsehana io. Araka izay loharanom-baovao izay ihany dia efa vita daholo ny sorabaventy na “banderole” entina amin’io fitakiana io fa ny andro hanatanterahana azy sisa no tsy mbola voafaritra. Raha ny zava-misy aloha hatreto dia hita fa mbola sahirana amin’ny fametrahana ny amina tiany hapetraka eto andrenivohitra ny kaominina, indrindra fa ny momba ireo mpivarotra amoron-dalana, na amin’ireo toerana tsy azo ivarotana. Tato anatin’ny iray volana mahery teo izay dia betsaka ny ady hevitra mikasika ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo, na eo amin’ny fitantanana ny mpiasa izany, na eo amin’ny fandaminana hapetraka. Tao anatin’ny herintaona nahaben’ny tanàna an’Antananarivo renivohitra azy dia betsaka ihany ireo tsikera nahazo an’i Lalao Ravalomanana, na avy amin’ireo mpanolotsaina eo anivon’ny filankevitra monisipaly, na avy amin’ireo mponina eto andrenivohitra. Raha ny hita aloha hatreto dia tsy nahavita nanangana fotodrafitrasa firy, na nanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Fanomezana ny “parking” ho tantanin’ny orinasa vahiny Easy Park, izay azo ambara fa tsy ankasitrahan’ireo mpampiasa fiarakodia eto andrenivohitra, sy ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana ihany aloha hatreto no zava-bita nisongadina tao anatin’ny herintaona.
F.Tsihiavonana