Hery Rajaonarimampianina: Fiarakodia tsy laitram-bala dimy no ampiasainy

Miteraka resabe ho an’ireo izay mahalala ny fisian’ny fiarakodia tsy laitram-bala (voiture blindée) izay ananan’ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao. Ity filoham-pirenena ity no mampiasa fiara tsy laitram-bala betsaka indrindra raha mitaha amin’ireo filoha teo aloha. Fiarakodia tsy laitram-bala iray monja ohatra no teo am-pelatanan’ny filoha Tsiranana  Philibert tamin’ny repoblika voalohany. Toa izany koa ny an-dRatsiraka Didier tamin’ny repoblika faharoa. Ary ny Profesora Zafy Albert izay nalaza tamin’ny fivezivezeny eran’i  Madagasikara nanao ny “Mada Raid”(1993-1996) aza dia tsy nampiasa fiarakodia tsy laitram-bala akory tamin’ny fitsidihana nataony manerana ny nosy manontolo. Indraindray ihany no mitondra io fiara io ny tenany, fiara izay nolovainy tamin’ny fitondran-dRatsiraka Didier. Niampy iray hafa io fiara tsy laitram-bala io izay nampiasan’ny filoham-pirenena teo aloha io tamin’ny andron’ingahy Ravalomanana Marc. Tsy nisy fiara vaovao nampiasaina intsony toa ireo voalaza eo ambony ireo tamin’ny fitondrana tetezamita (2009-2014). Fiara tsy laitram-bala miisa dimy vaovao, ankoatra ny teo aloha no ampiasan’ny filoham-pirenena  Hery Rajaonariimampianina sy ny fianakaviany amin’izao fotoana izao. Voalaza fa avy amin’ny solombavambahoaka Jaovato ny iray amin’ireo fiara ireo. Toa miteraka resabe izany ankehitriny, ka nahatonga ny olona nanontany marina ny mahakasika ny fiarakodia izay ampiasain’ny filoham-pirenena. Nampiasain’ny Hery Rajaonarimampianina nanomboka tamin’ny fotoana naha filoham-pirenena azy tamin’ny 2014 iny ny fiara tsy laitram-balan’i Jaovato. Tsy azo antoka hono ny kodiaran’ity fiara ity satria mbola laitran’ny bala, ka voatery tsy maintsy asiana fiara hafa indray manaraka ny filoha rehefa mandeha izy. Tsy laitran’ny bala hatramin’ny kodiarana ireo fiara efatra sisa. Fiara V8 ny iray amin’ireo, ny telo hafa dia irony fiarakodia “Mercedes” ambony razana irony. Ampiasain’ny vadin’ny filohampirenena ny roa amin’ireo fiara ireo araka ny feo mandeha. Tsara dia tsara izany fananana fiara ahazoan’ny filoham-pirenena miaro tena izany. Ilaina dia ilaina tokoa izany saingy diso be loatra hoy ny mpanara-maso. Nahoana no fiara iray dia ampy ny filoha teo aloha? Koa nahoana no fiara tsy laitran’ny bala dimy no ampiasain’ny filoha ankehitriny? 800.000.000 ariary na 16.000.000.000 iraimbilanja anefa ny vidin’ny iray amin’ireny fiarakodia ireny teo aloha. Raha ampitomboana dimy izany dia efa mitetina 4.000.000.000 ariary na 20 miliara iraimbilanja, raha toa ka ny vidiny tamin’ny taona 2015 iny no raisina. Moa ve ka laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fananana fiarakodia marobe toa izany ho an’ny filoham-pirenena, noho ny ady amin’ny fahantrana amin’izao fotoana izao izay efa mahazo ny 98% ny Malagasy? Mametraka adihevitra amin’ny fandanindaniana volam-panjakana amin’ny tsy ara-drariny izany hoy ireo izay mahalala ity raharaha ity. Maro no azo lazaina mahakasika izany nefa aoka samy handinika ny olona rehetra amin’ny zavatra toa izany. Fotodrafitrasa fampandrosoana firy no mety ho vita amin’izany vola izany?

J.B.

Ajouter un Commentaire