INTY SY NDAY: Mba henoy ihany ny hevitra marina e !
Tetik’asa iray goavana ny tetik’asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ny fanjakana japoney no manampy ara-bola ho amin’ny fanatantetahana izany tetik’asa izany. An-jatony tapitrisa dôlara ny sandan’ny tetik’asa.
Omaly dia niakatra teto Antananarivo mihitsy, ka nijoro, nitafa tamin’ny mpanao gazety, ireo mpiara-dia ao amin’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Toamasina « Adopt ». Izy ireo izay nanolo-kevitra hatrany mba hisorohana ny olana mety hitranga sy izay hahatsara kokoa ny ho avy.
Olana isan’ny navoitran’ny « Adopt » omaly ka nilazan’izy ireo fa tsy mahatsara ny hanalehibeazana an’io seranan-tsambon’i Toamasina io ny mety hiakaran’ny antsantsa na « requin » ambony tora-pasika, ny ho fahasahiranan’ireo mponina manao antom-pivelomana ny fanjonoana. Eo koa ny fanahiana ny hihotsahan’iny sisin-dranomasina iny. Etsy ankilany, ny olana ara-teknika nasongadin’ny « Adopt » koa, izay efa hitan’ny mpiara-miombona antoka avy amin’ny « Jica » (Japoney) dia ny halalin’ny ranomasina ao, izay efa tsy mifanaraka intsony amin’ny halehiben’ny sambo amin’izao fotoana.
Nanolo-kevitra mihitsy moa ny « Adopt » mba hafindra any Ivondro na Tsarakofafa ny tetik’asa fa any no lalindalina kokoa ny ranomasina, ary hahatsara ny fandraharahana amin’ny fitaterana an-dranomasina.
Efa nisy ihany ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana, hoy ny « Adopt », saingy toa fampanantenana poaka aty ihany izany.
Ny isan’ny tsinjon’ny « Adopt » koa dia toa te hampiseho fa nahavita zavatra ny mpitondra dia mikimpy eo anoloan’ny olana efa fantatra mialoha fa tsy maintsy hitranga.
Izany no mahatonga anay hisarika ny fisainan’ny rehetra, tsy ny mpitondra ankehitriny ihany, mba hihaino ny hevitry ny maro satria tsy adala akory ny ntaolo nilaza hoe « ny hevitry ny maro mahatakadavitra ».
Tsy ity tetik’asa iray ity ihany no mahamarina izany fa ny raharaha rehetra ankapobeny mihitsy, ary indrindra fa efa nisy ny fanadihadiana ara-teknika isan-karazany, ary naharesy lahatra ny mpamatsy vola japoney.
Tsy tokony ho gaga isika raha tapaka ny fifampitokisana sy ny fifanarahana teo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra (contrat social) satria tsy te-hahalala ny hetaheta sy ny hevitra marina avy amin’ny hafa na avy amin’ny vahoaka ny mitana ny fahefam-panjakana matetika fa te hampiseho ny fahaizany, izay mety hobaikoin’ny tombontsoany manokana koa.
Tsy tokony hadinoina fa raha ny ampahafolon’ny teti-bola hoenti-manana ny fanitarana an’i seranan-tsambon’i Toamasina io fotsiny no mipitika any amin’ny mpitondra, amin’ny fomba maro ananan-dry zareo traikefa, dia efa afaka matoritory fotsiny sisa izy sy ny taranany fa mandry ny saina.
Izay manan-tsaina, aoka izy handinika.
Faralahy