Lasan’ny Sinoa ny Rovan’Ilafy?: Tsy manaiky ny fokonolona ary hanao fivoriambe
Efa ho herinandro maromaro izao no nandeha ny resaka fa nisy vahiny nividy ny ampahany amin’ny tany ao anatin’ny Rovan’Ilafy, etsy Avaradrano. Raha ny resaka mandeha dia fantatra fa teratany Sinoa no nividy ity tany ity tamin’ny fanjakana. Ankehitriny kosa, tahaka ny efa tsy tsaho intsony ny fahafantaran’ireo mponina ao Ilafy azy fa vaovao tena marina. Manoloana izany indrindra dia tsy hipetra-potsiny ny fokonolona izay sarotiny amin’ny vakom-pirenena misy ao aminy ka hanantanteraka fivoriambe ny alahady ho avy izao. Fivoriambe izay handinihana ny hetsika tokony ho atao raha toa ka tena lasan’ny Sinoa tokoa ny ampahany amin’ny tany ao anatin’ity Rovan’Ilafy ity. Raha ny fantatra dia efa nanontaniana ny teo anivon’ny ministeran’ny Kolotsaina sy ny vakoka ary nilaza ny minisitra Jean Jacques Rabenirina tamin’io fotoana io fa tsy hanaiky na oviana na oviana ny fanomezana ny ampahany amin’ny tany ao anaty Rova ho an’ny vahiny. Tsy izany anefa ny zava-misy raha ny fahitan’ny fokonolona ao an-toerana. Mampiteny ny moana mihitsy moa ity fanomezana tany ho an’ny vahiny eto amitsika ity. Hatramin’ny vakoka izay manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena dia amidy amin’ny vahiny mba ahazoana tombotsoa.
F.Tsihiavonana