Nty sy nday: Lasa resaka fotsiny ny an’i CENI sy ny PNUD

8 tapitrisa ny mpifidy teto Madagasikara nanomboka ny taona 1991. Nisy fotoana nidinan’ny isan’ny mpifidy io ho 7 tapitrisa 500 teo ho eo tamin’ny taona 2010 teo. Tamin’ny fifidianana farany tamin’ny 2015 lasa teo dia miisa 8 tapitrisa 800 ny mpifidy. Ny vahoaka Malagasy anefa miisa 23 tapitrisa. Mbola novinavinaina fa 15 tapitrisa izy ireo tamin’ny 1991. Voalazan’ny antontan’isa fa mitombo 3,3% isan-taona ny Malagasy. Amin’izao fotoana izao aza dia efa misy ny milaza fa maherin’ny 25 tapitrisa ny mponina eto Madagasikara. Tao anatin’ny 16 taona teo izany dia tsy nitombo ary tsy nihena ihany koa ny isan’ny mpifidy amin’ny ankapobeny. Ny isan’ny mpifidy amin’ny firenena iray anefa a tokony ho ny antsasa-manilan’ny mponina ao aminy raha kely indrindra. Arak’izany, tokony ho 11, 5 tapitrisa ny mpifidy eto Madagasikara raha toa mbola 23 tapitrisa isika. Raha ny vinavina iray hafa dia tokony ho 12, 5 tapitrisa no mpifidy satria efa misy milaza fa 26 tapitrisa mahery ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Misy Malagasy 5 tapitrisa mahery izany no verezin-jo eto Madagasikara. Io isan’ny mpifidy io no fototra ny hala-bato ataon’ny fanjakana eto Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny fanjakana no hamafisina amin’izany hala-bato izany satria izay tonga eo amin’ny fitondrana dia milalao io lisi-pifidiananan io avokoa. Ny olana lehibe amin’izany dia tsy fahafantarana intsony ny tena isan’ny mpifidy Malagasy. Ny olona maty tao amin’ny lisitra mbola ampifidiana foana hatramin’izao. Maro koa ny olona tokony hifidy no tsy tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana, ary misy aza  ny olona mbola velona izao no esorina tao anatin’ny lisitra ity ka tsy avela hifidy. Any ambanivohitra any dia ataon’ny filoham-pokotany araka izay tiany ny lisitra. Izay mpomba azy ihany no soratany ary ny tsy mitovy firehana dia tsy ampidiriny amin’ny fanisana ataony. Dia izany hatrany no ampian’ny PNUD (Sehatrasa’ny Firenena Mikambana ho amin’ny fampandrosoana) eto Madagasikara hatramin’izay, ary iarahany amin’ny mpitondra izay mifandimby eo. Lany andro amin’ny seminera isan-karazany fotsiny ny Pnud fa tsy hita izay vokatra ny famoriany ny mpisehatra amin’ny fifidianana eto Madagasikaraka hatramin’izao. Amin’izao fotoana izao tokoa dia misy sehatrasa itambaran’ny Pnud sy ny Ceni (Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana) ao amin’ny Carlton. Efa nisy koa teny hôtely Ibis Ankorondrano ny 29 sy 30 aogositra 2016 lasa teo niarahana tamin’ny antoko pôlitika 60 teo ho eo, ary mbola hisy koa ny herinandro ho avy io. Maro dia maro ny sehatrasa natao izay nefa mbola miharatsy hatrany ny fifidianana eto Madagasikara fa indrindra ny lisi-pifidianana. Nahoana raha toa ka ny fanarenana ny lisi-pifidianana sy ny fanisam-bahoaka no imasoana aloha, satria ao no tena misy ny olana amin’ny fifidianana eto Madagasikara hatramin’izay. Resaka ny mpanambola sy ny mahantra ny raharaha ka izay voalazan’ny mpanambola ihany no marina sy arahina. Milaza azy ho mahaleo tena ny Ceni nefa tsy mahavita tena fa miandry ny mpamatsy vola hatrany vao mba mihetsika. Na inona na inona hatao raha tsy ny fototra ny olana no vahana dia ho zava-poana izay atao rehetra.

J. B.

Ajouter un Commentaire