Toavina Ralambomahay: Sarin’ady no ataon’ny TIM sy HVM
Mbola mitohy hatrany ny famitaham-bahoaka izay ataon’ireo mpanao politika Malagasy ary anisan’ny tranga farany lehibe manaporofo izany ny sarin’ady misy eo amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny fitondrana mijoro ankehitriny raha ny hevitry ny mpandinika ny raharaham-pirenena, Toavina Ralambomahay. Nambarany fa mbola tsy ho sahy hijoro ho mpanohitra ny fitondrana mihitsy ny Tiako i Madagasikara satria mbola manana minisitra ao anatin’ny governemanta ary manana solombavam-bahoaka mpikambana ao anatin’ny birao maharitra eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Antony iray tsy mbola hanoheran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ihany koa ny fitsinjovany ny orinasany na ny vondrona “Tiko”. Noho izany dia mbola sarin’ady fotsiny ihany no ataon’ny TIM sy ny HVM amin’izao fotoana izao ary famitaham-bahoaka tsotra izao. Tsy maintsy mijery izay mahasoa azy sy miaro ny tombotsoany i Marc Ravalomanana ka tsy ho sahy hivadika tanteraka any amin’ny fanoherana, hoy ihany i Toavina Ralambomahay. Ity mpandinika ny raharaham-pirenena ity izay mbola manamafy hatrany fa anisan’ny olana lehibe tsy mety ahatafavoahan’ny firenena Malagasy ao anatin’izao krizy izao ny tsy fisian’ny mpanohitra ara-dalàna, indrindra fa ny eo anivon’ny Antanimieram-pirenena. Tokony havoaka farany izay haingana ny sata mifehy ny mpanohitra eto amintsika mba hisian’ny fanoherana matanjaka ary tena manao ny asany. Ny olana lehibe anefa dia tsy misy tombotsoa ho an’ny antoko eo amin’ny fitondrana ny famoahana ny sata mifehy ny mpanohitra ka izay no antony tsy mety hivoahany mandrak’ity ny androany.
F.T