Antoko MARINA: Fifidianana madio sy mangarahara no vahaolana
Mila fanovàna lalim-paka ny firenena Malagasy ary raha mbola mitohy izao rafi-pitantana sy endri-pitondrana misy eto amitsika izao dia vao mainka ho potika ny firenena raha ny hevitra ny antoko MARINA, izay tarihin’ny mpikambana teo anivon’ny CST teo aloha, Ranaivoson Jean Désiré. Ity antoko ity izay resy lahatra tanteraka fa ny hany vahaolana ahafahana mitondra fanovana eto amin’ity firenena Malagasy ity dia ny firosoana amin’ny fifidianana marina, madio ary mangarahara. Hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovan-tena dia nisy hatrany ny fifidianana kanefa tsy nahafahan’ny vahoaka Malagasy nanao ny fanovàna tadiaviny akory izany. Ny fifidianana natao teto hatramin’izay dia fifidianana nahazoan’ny antoko teo amin’ny fitondrana tombony satria rafitra sy andrim-panjakana azon’ny mpitondra baikoina sy lalaovina no nikarakara sy nitsara ireo fifidianana natao. Mba ahatongavana amin’izany fifidianana marina sy madio izay dia misy ny fepetra tsy maintsy hirosoana. Eo aloha ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ka filoham-pokontany voafidim-bahoaka no hitarika izany. Mila fanavaozana ihany koa ny rafitra mikarakara sy mitsara ny fifidianana mba ho eken’ny rehetra ny vokatra mivoaka. Tokony tsy hisy olon’ny fitondrana mandrafitra ireo rafitra ireo mba hananany fahaleovan-tena tanteraka. Fa ny tena zava-dehibe koa ny tokony hametrahana loharanom-bola avy amin’ny Malagasy madiodio hikarakarana ny fifidianana ho fisorohana ny fitsabatsabahan’ny vahiny amin’ny raharaha tokatranon’i Madagasikara. Ny farany kosa dia ny fandrafetana lalàna mifehy ny famatsiam-bola amin’ireo fampielezan-kevitra ataon’ny mpilatsaka ho fidiana. Rehefa mipetraka ireo fanavaozana rehetra voalaza teo ireo dia tsy hisy intsony izany fidinana an-dalambe izany satria filoham-pirenena tena lanim-bahoaka marina no mitondra ny firenena. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra mba handray an-tanana ny fiainam-pirenena izay tsy mitsahatra ny mitontongana tao anatin’izao repoblika faha 4 izao ny antoko Marina. Ity antoko ity izay nilaza fa vonona ny handray anjara amin’ny dinika rehetra ifanaovan’ny samy Malagasy ho fanavotana ny firenena.
F.Tsihiavonana