Hetsika eny Mahamasina anio: Hitarika mpikarama an’ady hanakorontana eny ny Me Avoko ?

Maro ny olona no miandry ny higadonan’ny andro anio mba hanehoana fa tsy zaka intsony ny fahasahiranana ampiziogain’ny fitondram-panjakana amin’ny vahoaka malagasy. Tsy foronina fa tena mikaikaika ny 98%-n’ny Malagasy eo anoloan’ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra, eo anatrehan’ny fanararaotam-pahefana, eo anilan’ny tsikombakomba maloto, eo akaikin’ny endri-pandrobana ny harem-pirenena amin’ny fomba maro, eo anatrehan’ny teti-pivarotan-tanindrazana isan-tokony. Potika tanteraka ny firenena, ary rava ny fiainam-bahoaka amin’ny maha-olona azy. Tsy misy intsony koa ny fanajana ny soatoavina, satria na ny taolam-paty aza, izay isan’ny hajain’ny Malagasy, dia efa sahin’ny sasany ny mandroba azy. Oviana hatramin’ny naha-tany ny tany eto Madagasikara no nisian’izany raha tsy amin’izao andro ahavelomantsika izao ?

Ny fahapotehana ara-tsosialin’ny ambanilanitra, na fahasalamana sy fitsaboana io, na fampianarana sy fanabeazana ny taranaka, na ny asa tokony hiantoka ny fampivelarana ny fiainan’ny isan-tokantrano sy fanoitran’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena, na ny fiahiana izany fandriam-pahalemana izany, na ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovan-tena izany… sy ny maro hafa, dia hita sy iainana ary mianjady sy mihatra amin’ny vahoaka malagasy avokoa.

Izany rehetra izany sy ny hafa no mahatonga ny vahoaka hikatsaka fomba sy hevitra hanovana ny tontolom-piaraha-monina sy ny rafitra iorenan’izany ka hitadiavana vahaolana maharitra hiantohana ny tena fanovana sy ny tena fanorenana ifotony. Ny rafi-piaraha-monina anjakan’ny fahalovana sy ny fifanararaotana isan-karazany dia tsy maintsy fongorina sy montsanina.

Rehefa manazava an’izany rehetra izany sy ny mitovy lenta amin’izany ianao dia toa fondro na heloka ny vitanao. Tsy misy anefa na iray aza sahy milaza fa diso izany. Toa sanatria halako bika tsy tiako tarehy no anoritan’ny sasany azy ka lazaina fa manakorontana, manongam-panjakana…

Ny hanentanana ny vahoaka mba hifamondron-kery dia mba hiara-mibanjina ny vahaolana handrafetana an’izany hevitra ho fanorenana ifotony ny firenena izany, mba hialana amin’ireo fahapotehana sy loza mitatao isan-karazany ireo… no hifamotoanana eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina anio tolakandro.

Satria mahina fa nanao ratsy angamba ny fitondrana dia mitady ny fomba handravana izany fihaonamben’ny vahoaka malagasy hikatsaka ny vahaolana izany. Dia mitady an’ireo mpikarama an’ady isan-tokony hanampy tosika ny herim-pamoretana handravana ny hetsi-bahoaka anio ny eny atsimon-drano. Isan’ireo nanolo-tena handrava ny fihaonamben’ny vahoaka eny Mahamasina anio ny Me Avoko sy ny mpikarama an’ady sasany namany mpanao kung fu.

Ny vahoaka kosa etsy ankilan’izany, efa matotra ka tsy hanaiky hokorontanina lava izao. Ny fanakorontanana ny fiainany isanandro izay ateraky ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra sy ny fanamparam-pahefan’ny mpitondra, araka ny fitanisana ery aloha aza, efa tsy tantin’izy ireo intsony ve dia mbola hanaiky hokorontanin’ny mpikarama an’adin’ny mpamotika firenena ihany, dia mba rariny ?

Tsy hanaiky fihantsiana ny vahoaka ary hentitra ny fifampifeherzana anio eny Mahamasina, hoy ny avy amin’ny « Mmf » (Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana), ka asakasak’izay hiana-kendry hanohitra ny herim-bahoaka eo.

Ny hitady ny fomba rehetra hampitsaharana sy hamaranana izao fanakorontanam-piainana ataon’ny mpitondra amin’ny vahoaka izao, sy hamongorana hatrany ifotony ny fahalovana ampiroboroboin’ny mitana ny fahefam-panjakana, ary ny hametraka antoka ho amin’ny tena fanorenana ifotony ny firenena no tanjon’ny vahoaka izao ka tsy hanaiky lembenana izy hiaro ny ho aviny sy ny rahampitson’ny taranany.

Ralay

Ajouter un Commentaire