Tsy lolo fotsy akory ka hitono tena

Matetika dia heverin’ny sokajin’olona sasany ho fahafinaretan’ny vahoaka ny ndeha hidina an-dalambe maneho tsy fankasitrahana tranga iray na mampita fitakiana. Hatrany ampitan’ny ranomasina any, eny any amin’ireny firenen-dehibe ireny indrindra, no mazàna misy an’io filaharana an-dalambe hanehoana hevitra io. Tsy fahafinaretana na tanjona izany fa voatery noho ny antony maro. Rehefa tapitra ny dingana rehetra noheverina fa tokony nikatsahana ny famahana ilay olana dia io fidinana an-dalambe io no irosoana. Ny tanjona dia mba hanehoana amin’ilay tompon’andraikitra fa tsy olona vitsy akory no mitaky na tsy mankasitraka ny fepetra iray noraisina, ary ireo olona marobe ireo dia mety haharesy lahatra olona marobe hafa tsy hifidy anao mpitondra intsony rehefa tonga ny fotoam-pifidianana raha tsy kinga mitady vahaolana amin’ilay tranga ianao tompon’andraikitra. Dia miolo-may mikaroka ny hevitra rehetra hamahana ny olana ny tompon’andraikitra fa tsy misy fitenenana hoe « manakorontana » na « misy ambadika pôlitika » na « mitady hanongam-panjakana ».

Amin’izany rehetra izany koa anefa dia mandray anjara amin’ilay hetsika fidinana an-dalambe ny rehetra, tsy misy avahana, hatramin’ny mpanao pôlitika, fa tsy misy mandoko an’ilay hetsika hoe « lalaovin’ny mpanao pôlitika ».

Etsy ankilany, momba ny trangan-javatra eto amintsika manokana, ary mety hiseho any amin’ny firenena hafa mitovy lenta amintsika, dia maro ny manamarika fa tsy ara-dalàna ohatra ny fisehoan’ireny fitsaram-bahoaka ka mamono sy mandoro olona ireny. Tena marina izany satria matoa najoro ny rafitra toy ny fitsarana dia natao hitady ny marina sy hanasazy izay meloka na izay nahavita fahadisoana teo anivon’ny fiaraha-monina. Misy antony anefa matoa tonga amin’ny toe-javatra toa ireny ny olona sasany. Isan’ny antony ny tsy fitokisany ny fitsarana, ohatra.

Raha ny tontolom-piaraha-monina ankapobeny indray dia iombonana amin’ny maro ny fanamarihana fa tokony hajaina ny mpitondra fanjakana, toy ny tokony hanajana ny ray aman-dreny ao an-trano. Ny mpitondra fanjakana dia manomboka amin’ny mpitantana fokontany, ny mpitandro ny filaminana, ny mpitsara, sy ny hafa, ka hatramin’ireo misahana andraikitra ambony ara-panjakana.

Eo anilan’izay koa anefa, satria zon’ny mpitondra ny hohajaina dia manana adidy mifamatotra amin’izany izy mba ho mendrika an’ilay fanajana azy. Tokony hiahy ny vahoaka izy izany, tokony hikarakara azy, tokony tsy hampitombo ny fahasahiranany, tokony tsy hiteraka fikorontanam-piainan’ny vahoaka ny fomba fitantanany na ny tsy fahombiazany. Tsy tokony hitsikombakomba amin’ny vahiny na teratany izy ka manome vahana ny fandrobana ny harem-pirenena izay tokony hiatrehana ny fikarakarana ny fiainam-bahoaka. Tsy tokony hanampatra fahefana amin’ny endriny maro ny mpitondra fa tsy mamaly ny asa maha-mpiahy ny vahoaka azy izy raha izay. Sy ny maro tsy ho voatanisa e !

Raha toa, sanatriavina, ka ireo tsy tokony hataon’ny mpitondra fanjakana no ataony, na raha toa ka tsy manao an’izay adidiny izay amin’ny vahoaka koa izy, dia karazan’ny manao fihantsiana ny vahoaka hitaky aminy ny zony amin’ny maha-vahoaka azy. Rehefa tonga amin’izay dingan’ny fitakian’ny vahoaka ny zony amin’ny mpitondra fanjakana izay ny raharaha, dia tokony hahatsiaro tena ny mpitondra fa tsy hialokaloka amin’ny hoe « mitetika hanongam-panjakana ireo » na « misy ambadika pôlitika ny fitakian’ireo ».

Moa ve raha miteny ny mpitondra hoe « misy ambadika pôlitika ny fitakian’ny vahoaka ny zony na ny anjara-masoandrony » dia tsy azo omena fahafaham-po amin’izay fitakiany izy sa tsy azo valiana araka ny fitakiany izany ?

Noho izany, matetika ny mpitondra dia manana fahazarana hanampatra fahefana, ary io vahoaka io dia mba te hilamim-piainana mandavan-taona, fa tsy sanatria lolo izy ka hitono tena, raha fantany fa hampitombo ny fahasahiranany ny fikatsahana vahaolana ataony, toy ny fidinana an-dalambe.

D.R.

Ajouter un Commentaire