Antalaha: Vehivavy 16 taona maty noho ny delestazy
Tsy vitany hoe mampiteny ny moana intsony ny delestazy eto amitsika amin’izao fotoana izao fa mamono olona ihany koa. Vehivavy 16 taona monja no maty teo ampiterahana tao amin’ny hopitaly ao amin’ny tanànan’i Antalaha, faritr’i Sava, noho ny delesatazy. Ny alarobia 21 septambra teo no nitranga ity vaovao ity ka natohina ireo mponina any an-toerana. Raha ny fampitam-baovao azo dia teo ampiterahana mihitsy ity vehivavy ity no tapaka ny jiro manerana ny tanàna, hatramin’ny tao amin’ny hopitaly. Somary nanano sarotra moa no nampiteraka ity vehivavy ity noho ny taonany. Ity farany izay voatery nametrahana ny “masque à oxygène” tao anatin’izay fiterahana izay kanefa noho ny fahatapahan’ny herinaratra dia tsy afaka nanao na inona na inona ireo mpitsabo ka maty teo no ho eo ny vehivavy ary tsy voavonjy ihany koa ny zanany mbola tao anaty kibo. Marihana fa misy ny “groupe életrogène” ao amin’ity hopitaly ity fa noho ny tsy fisian’ny nentimanana hanodinana azy dia tsy nandeha tamin’ny fotoana nisian’izay fahatapahan-jiro izay. Ireo mpiasa tao amin’ny hopitaly izay nilaza tamin’ny fianakavian’ilay vehivavy fa raha misy ny vola any amin’izy ireo dia azon’izy ireo atao no mandeha mividy solika hampandehanana ilay “groupe”, rehefa voavidy anefa ny solika dia tsy hita ilay tompon’andraikitra mandefa ity fitaovana mamokatra herinaratra ity. Ny tranga toy izao moa dia mety hahazo ny renim-pianakaviana rehetra izay miteraka any amin’ny tobim-pahasalamana, na hopitalim-panjakana tsy manana ny “groupe électrogène”.
F.Tsihiavonana
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.