INTY SY NDAY: Io Frankôfônia io no fositry ny zavatra rehetra izao

Tsy mbola nifarana ka hoe voafaritra ho isan’ny tantara ny Raharaha Augustin Andriamananoro, izay nokasain’ny fitondram-panjakana nalaina an-keriny (enlevement-kidnapping) teny Ambodivona ny hariva sy nandritra ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo.

Mody nisintaka tsy niandry azy teny Ambodivona ireo iraka, ka ny tetiky ny mpitondra dia hoe « kendrena izay handehanan’i Augustin Andriamananoro milefa hitsoaka amin’ny môtô. » Rehefa mitsoaka dia hokendrena hodomina amin’ny fiara, ary hapetraka eo ankilany ilay basin’ny zandary nambara fa very tany Soamahamanina.

Tsetsatsetra tsy aritra no anipihana fa io basy very io dia miteraka lonilony eo amin’ireo zandary maro satria raha zandary tsotra no nanary azy io dia ho nigadra avy hatrany saingy zandary akaiky ny Jeneraly Florens Rakotomahanina, no tompon’izy io, dia vitavita ho azy, ary tsy nisy fepetra noraisina tamin’izy io mihitsy.

Ny paika maloto ao anatin’izany rehetra izany aloha hatreto dia ny hikatsahana ny ho fahafahan’ny mpitondra fanjakana manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fandaharam-potoana rehetra momba ny fananganana an’ireo fotodrafitrasa takian’ny fivoriana an-tampon’ny frankôfônia.

Manahy mafy mantsy ny fitondram-panjakana Hvm fa hilatsaka ny didy tsy haneken’ny fianakaviamben’ny Frankôfônia hanaovana indray an’io fivoriana io eto Madagasikara. Isan’ny mety ho antony hahatonga izany ny hisintahan’ny orin’asa sinoa nifampiraharaha tamin’ny fitondrana malagasy momba ny tetik’asa fananganana fotodrafitrasa ho amin’io fivoriana io, toy ny fanamboarana ny lalana eny Ivato sy ny eto andrenivohitra (Betsimitatatra).

Fantatra mantsy fa isan’ny orin’asa sinoa miara-dia ao amin’ny vondron’orin’asa (groupe de sociétés) manamboatra ny lalana eny Ivato sy eny Betsimitatatra ny orin’asa sinoa nomen’ny fitondrana alalana handroba ny harena toy ny vatosoa any Soamahamanina.

Ny isan’ny tarigetran’ny fitondrana izany amin’izao fotoana dia ny misambotra sy mampiditra am-ponja an’izay rehetra ahiany hikitikitika ny ho fahavitan’io fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia io.

Raha ny loharanom-baovao marim-pototra dia izay no tena antony mbola tsy anetsehana ny raharaha Alain Ramaroson eny amin’ny fitsarana, ka dia nogiazan’ny fitondram-panjakana foibe ny antontan-taratasy momba azy, ary io izy voafonja tsy fantatra hoe hatramin’ny rahoviana eny Antanimora io.

Mbola isan’izay ahiahy mety tsy hahafahana mandray na manatanteraka an’ilay fivoriana an-tampon’ny Frankôfônia ihany koa no nihazakazahana nampiakatra an’i Robison Pierre sy Tsihoarana taty amin’ny fampanoavana taty Antananarivo (raha tokony ho tany Miarinarivo), ary dia nandraisana fepetra haingana ny hitanana azy ireo eny amponjan’Antanimora nanomboka ny alin’ny zoma teo.

Izany ihany koa no tanjon’ny fitondrana jadona tamin’ny tetika hisamborana an’i Augustin Andriamanoro tamin’ny alakamisy sy zoma.

Mbola misy olona hosamborina koa ato ho ato, ary hohampaingaina amin-javatra tsy marim-pototra mba hitanana azy amponja, satria mampanahy ny fitondrana fa mety hanelingelina ny tetika malotony amin’io resaka frankôfônia io.

Ny re aza dia toa hametrahan’ny fitondrana Hvm vela-pandrika ilay Mompera sy Eveka katolika hitan-dreo fa tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ry zareo mpitondra tamin’ny fanomezana alalana an’ireo sinoa hitrandraka ny volamena any Soamahamanina any Miarinarivo. Izany hoe mety hosamborina koa izany satria mikitikitika ny tombontsoa manokan’ny mpitondra Hvm amin’io raharaha Frankôfônia io. Io raharaha io mihitsy ange izany no tena fositra eto e !

Faralahy

Ajouter un Commentaire