Fanehoan-kevitra: Tsy misy intsony ny fahalalahana maneho hevitra
Voaporofo tamin’ny sabotsy teo fa fanjakana jadona no tian’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hapetraka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tapenam-bava ny mpanao gazety sy ny olom-pirenena amin’ny alalan’ilay lalàna mifehy sy serasera ary tsy misy mahazo mihetsika intsony ireo rehetra izay manohitra ny fitondrana, eny fa hatramin’ireo tantsaha mitsangana miaro ny tanindrazany aza dia darofana amin’ny baomba mandatsa-dranomaso. Ny sabotsy tolakandro teo no nikasa hamory vahoaka tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ireo mpanao politika avy amin’ny hetsika « Mitsangana ry Malagasy » sy ny MMF (Malagasy Mivondrona ho an’ny fanorenana). Famoriam-bahoaka nokasaina natao mba hanazavana amin’ny vahoaka Malagasy ny zava-misy marina eto amin’ny firenena, indrindra fa eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tsy tontosa anefa ny hetsika satria noravan’ny Emmo-Reg tarian’ny jeneraly Florens Rakotomahanina ireo fanamafisam-peo efa napetraka tao anatin’ny kianja mitafo, nohidina ny vavahady ary nosakanana tsy hiditra ireo olom-pirenena maro izay tonga namaly ny antso. Tsara anefa ny manamarika fa efa nahazoana alalana avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity hetsika ity ary tsy mila mangataka alalana avy any amin’ny prefektiora satria tanterahina ao anaty trano mihidy.
Raha hiverenana ny zava niseho ny sabotsy teo, vao maraina dia efa rakotra mpitandro ny filaminana ny teny Mahamasina hatrany Anosy sy ny manodidina. Fomba fanao izay tsy mahagaga intsony tao anatin’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity rehefa misy ny hetsika kasain’ny mpanohitra atao. Vao maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora, dia efa betsaka ireo olom-pirenena namaly ny antson’ny Mitsangana ry Malagasy sy ny MMF no tonga teny an-toerana saingy nosakanan’ny mpitandro ny filaminana tsy hiditra ao anaty kianja. Tsy vitany hoe nosakanana ihany fa tsy navela nijanona tety ivelan’ny kianja ireo olom-pirenena ary naparitaka ireo izay nitangorongorona teny amin’ny faritr’i Mahamasina rehetra teny. Na teo aza ny fahatezerana teo amin’ireo olom-pirenena dia tao anatin’ny fahendrena tanteraka no nialàn’izy ireo teny Mahamasina. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any kosa vao tonga teny an-toerana ireo lohandohany mpitarika ny hetsika, izay nahitàna ny praiminisitra lefitra teo aloha, Hajo Andrianainarivelo, sy i Sylvain Rabetsaroana. Mazava hoazy fa tsy navela niditra tao anaty kianja ihany koa ireto mpitarika ireto izay nifanazava nandritra ny minisitra maromaro tamin’ny mpitandro ny filaminana. Marihana fa araka ny fanazavana nomen’ireto farany dia tsy nahazo alalana avy amin’ny prefektiora ny hetsika ka izay no antony nanakanana azy. Tsy nisisika ny hiditra tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ireo mpitarika ny « Mitsangana ry Malagasy » ka nanapakevitra ny hifindra teny amin’ny kianja 3A eny Andrefan’Ambohijanahary. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo rehefa tonga teny an-toerana , fanambarana izay natrehan’ireo olona maro namaly ny antso. Mbola nanamafy ireo mpitarika ny hetsika Mitsangana ry Malagasy sy ny MMF fa tsy voafehin’i Hery Rajaonarimampianina intsony intsony ny fitantanana ny firenena, noho izany dia tokony hametra-pialàna ny tenany. Tsy mifarana hatreo moa ny hetsika na dia nisy aza izay fisakanana nataoan’ny fanjakana izay fa mbola hitohy ary hihamafy. Raha ny hita aloha hatreto dia miha mitombo isa hatrany ireo olom-pirenena mamaly ny hetsika ataon’ireo vovonana na antoko politika manohitra izao fitondrana mijoro ankehitriny izao. Izany no isan’ny antony hatoharan’ny fitondrana mafy ny fihetsiketsehana ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao. Na olona vitsy aza no mikasa ny haneho hevitra an-dalambe dia mpitandro ny filaminana an-jatony isa no hahetsika noho ny fahatahoran’ny mpitondra hiongana eo amin’ny toerany.
F.Tsihiavonana
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.