Ankasina : olona 7 may kilan’ny afo

Nihoron-koditra ireo mponina eny amin’iny faritra Ankasina iny omaly raha nahita ireo razana miisa 7 izay may kilan’ny afo tao anaty trano, ny alin’ny alahady hifoha ny  alatsinainy teo. Ny iray amin’ireo olona 7 kila forehitra ireo no fantatra fa vehivavy mitondra vohoka. Manodidina ny 50 ireo trano nirehitra tamin’io alin’ny alahady hifoha alatsinainy io, izay saika trano hazo avokoa. Misy amin’ireo olona naratra mafy no mbola tsaboina eny amin’ny hôpitaly amin’izao. Renim-pianakaviana iray no miady amin’ny fahafatesana amin’izao fotoana izao.  Tokantrano maherin’ny 100 isa no rava trano tamin’ity fahamaizana ity ary miisa 460 kosa ireo tsy manan-kialofana ankehitriny. Ankizy ny 228 amin’izy ireo raha ny fantatra. Marihana fa tokony ho tamin’ny 11 alina tany ho any, no nanomboka nirehitra ny afo tao amina trano iray. Tao anatin’ny minitra vitsy monja dia nijoalajoala ny afo ary nalaky nifindra tamin’ireo trano hazo hafa teo amin’ny manodidina. Fotoana fohy tao aorian’izay dia tonga ny mpamonjy voina, saingy ora 3 taty aoriana vao voafehy tanteraka ny afo. Nanasarotra ny asan’ireo mpamonjy voina ihany koa ny toerana nisy ireto trano nirehitra ireto. Mbola tsy fantatra mazava hatreto ny tena nahatonga ny afo fa eo ampanaovana fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana. Tsara ny manamarika fa ity no fahamaizana trano nahafatesana olona be indrindra raha ho an’Antananarivo hatramin’ny fiandohan’ny taona. Raha ny antontan’isa ho an’ny taona 2016 dia mampiteny ny moana mihitsy ny fahamaroan’ireo trano may teto Madagasikara. Hatramin’ny volana janoary hatramin’ity androany ity dia maherin’ny 1800 ny isan’ireo tokantrano lasa tsy manan-kialofana noho ny fahamaizan’ny tranony ary olona manodidina ny 60 no namoy ny ainy.  Vao dimy volana lasa izay no nisian’ny trano may teny an-toerana. Tonga teny ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, nisy ny fanomezan-toky tamin’ireo niharam-boina kanefa hatramin’izao tsy tanteraka ny fampanantenana nataony.

F.T.

Ajouter un Commentaire