Inty sy Nday: “Mitaky mpitondra mahay mihaino ny fanakianana azy”
Ifandresen-dahatra amin’ny sehatra maro sy amin’ny fomba maro indray izao ny hevitra eo amin’ny samy mpisehatra pôlitika. Ny eo anivon’ny fitondrana moa dia miezaka manampempo sy manasa ati-doha fa toa tsy manan-kevitra mafonja mazava momba ny raharaham-pirenena. Moa va tsy ny fanaon’izay rehetra nitana ny fahefam-panjakana teto hatrany no afitsok’izy ireo amin’ny fiarovan-tseza sy tombontsoa manokana. Dia tsy manan-kevitra asetry ny fanazavana etsy sy eroa ny mpitondra sy ny tariny ankoatra ny hoe “manao asa fanakorontanana ireo”, na “mitetika hanongam-panjakana ireo”, na “lalaovin’ireo fotsiny ianareo fa efa nitondra teo avokoa ange ireo miseho manakiana ireo fa mba inona moa no nataony?”… sy ny sisa. Teo anoloan’izany dia naneho ny heviny i Pety Rakotoniaina izay isan’ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny “Malagasy Mivondrona ho amin’ny Fanorenana” (MMf). Nambaran’ity ben’ny tanàna teo aloha tao Fianarantsoa ity àry fa “inian’ny mpitondra ravana ny fotokevitry ny adi-hevitra satria variana sy maika hiaro tena sy hiaro ny tombontsoany manokana ny mpitondra. Ny Mmf dia milaza ny zava-misy, na tsara na ratsy ary manolotra vahaolana hanarenana ireny tranga miteraka fahasahiranana amin’ny firenena ireny”. “Ambarako”, hoy izy, “fa tsy misy olona tonga lafatra eto an-tany ary tsy misy manana hevitra fanaperana koa fa ny fitsikerana ny zavatra tsy mandeha na ny tsy mety dia efa zava-dehibe mavesa-danja amin’ny fomba iheverana ny fampandrosoana ny firenena.”. Nomarihiny fa “raha olona tena mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ny mpitondra dia mandray an’ireny hevitra isan-karazany sy fanakianana ireny mba hanitsiana ny famindra sy hanatsarana izay zavatra atao”. “Fomba fisainana mampandroso izany”, hoy izy, “ary ny olom-pirenena dia tsy tokony hihevitra hoe manimba zavatra ny fanakianana na sanatria tsy fitiavana”. “Izay fihetsika mamadika ny fanakianana sy fitsikerana ho zavatra hafa izay no mahatonga ny firenentsika ho latsaka anaty kizo toa izao”, hoy ihany i Pety Rakotoniaina. Isan’ny nasongadin’ity solombavambahoaka teo aloha tany Ikalamavony ity mantsy fa “mahasoa ny firenena ny filazana ny zavatra misy sy ny fitenenana ny zavatra tsy mety ka raisin’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra amim-pitiavana”. “Ny toe-tsaina miaro tena fotsiny ataon’ny mpitondra”, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina, “no miteraka fihenjanan’ny tady dia lazaina fa mpanakorontana na mpanongam-panjakana ny avy ety ivelan’ny fitondrana”. “Ny hevi-dehibe entin’ny MMf anefa”, hoy ihany izy, dia ny hoe “satria misy zavatra miteraka disadisa miverimberina na tsy mbola voavaha hatramin’izay eto ka ndeha hifampidinika hitadiavana ny vahaolana maharitra”. “Tokony manao ezaka noho izany ny tompon’andraikitra ara-panjakana”, hoy ihany izy, “hihaino ny hafa dia miroso amin’ny fifampiresahana.” Isan’ny notsindrian’i Pety Rakotoniaina koa ny fampahatsiahivana fa “ny fifidianana olona hitondra firenena dia tsy midika fa tsy afaka miteny na tsy afaka milaza ny heviny intsony ny olom-pirenena”. “Raha ny zava-misy ankehitriny mantsy”, hoy izy, “efa roa taona sy tapany izao no nitondran’ny filohampirenena ka rariny sy hitsiny mihitsy raha miroso manao jery todika sy jery kiana amin’izay nataon’ny mpitondra sy ny tsy nataony ny vahoaka”. Etsy ankilany dia nohamafisin’i Pety Rakotoniaina ny fanamarihana fa “rehefa hiroso amin’ny fifampidinihana ihany dia dinika tsy peta-toko na alasafay na tandrametaka na sinema no atao fa dinika hamoahana hevitra izay nifamatorana sy nifanekena ka tsy maintsy ampiharina sy tanterahina”.
Faralahy