Vohitra eny Ilafy : tanin’olona mirefy 7 ha lasan’ny Sinoa
Ny alahady tolakandro teo no nanatanteraka fivoriambe ny fokonolona eny amin’iny vohitra misy ny rovan’Ilafy iny. Fivoriana manokana ity natao ity satria fantatra ankehitriny fa tany mirefy amina hekitara maromaro izay manakaiky ny rova eny an-toerana no lasan’ny Sinoa. Ny tena olana dia misy ampahany amin’io tany novidian’ny Sinoa io, 7ha raha ny fanazavana azo, no tanin’olona. Mazava ho azy fa tsy manaiky ny namarotana ny tanindrazany ireo tompon’ny tany ary manohana azy ireo tanteraka ny fokonolona eny an-toerana. Naharitra ora maro ny fivoriana izay nizotra tao anatin’ny fifanjevoana noho ny hatezeran’ireo mponina. Nitarika izany fivoriam-pokonolona izany moa ny filoham-pokontany sy ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, ireto farany izay niezaka nandamina ny fokonolona tamin’io fotoana io. Raha ny tena fizotran’ny tantara dia misy lehilahy teratany Malagasy iray, antsoina hoe Victor, no milaza ho tompon’ny tany ara-dalàna ka nivarotra izany tamin’ny Sinoa. Misy olona 11 hafa anefa mitsangana ankehitriny ary milaza fa manana anjara amin’io tany namidy tamin’ny Sinoa io. Raha ny voalazan’ireto farany dia misy ny firaisana tsikombakomba teo amin’ilay lehilahy antsoina hoe Victor izay nivarotra ny tany sy ireo manam-pahefana eny an-toerana, izany hoe ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanàna. Ireto farany izay niezaka nanazava tamin’ny vahoaka ny zava-misy marina kanefa tsy naharesy lahatra raha ny namb ran’ny solotenan’ny fokonolona. Ny sefompokontany am-perinasa amin’izao fotoana izao dia nilaza fa tsy mahalala ny fisian’ny fifanarahana teo amin’ny Sinoa sy ilay nivarotra ny tany satria mbola tsy nitantana ny fokontany ny tenany tamin’ny fotoana namarotana ny tany. Nilaza ihany koa ny ben’ny tanàna fa tsy mahalala firy ny momba ity raharaha ity. Tsikaritra fa sady miaro ilay nivarotra ny tany, no mody miray feo amin’ny vahoaka ny tenany. Tsy nisy moa ny tena zava-dehibe nivoaka na tapaka nandritra ny fivoriana natao ny alahady teo. Nangataka tamin’ny fokonolona mba hanangana komity manokana izay hifampidinka amin’izy ireo ny manam-pahefana eny an-toerana. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha satria ireo olona miisa 11 milaza ho manana anjara amin’ilay tany lafo tamin’ny Sinoa tsy hanaiky na oviana na oviana ny namarotana ny lova navelan’ny razambeny.
F.T.