Pôlitika : manahy korontana sosialy ny Malagasy
Miteraka adihevitra be tamin’ny olom-pirenena maro tamin’ny faran’ny herinandro iny ny raharaha Soamahamanina sy ny sakantsakana ataon’ny fanjakana amin’ny fanehoankevitra ataon’ireo mpanohitra ny fanjakana Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao. Tsy ny mpanao pôlitika sy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ihany no miresaka ity raharaha ity fa hatramin’ny olon-tsotra koa aza. Tsy eto Antananarivo ihany no ahitana izany adihevitra izany fa hatrany amin’ny faritany rehetra any. Mampahatsiahy ny zava-misy tamin’ny taona 2001 izay nisian’ny korontana teto Madagasikara ny tranga misy ankehitriny. Toa izany koa ny zava-niseho tamin’ny taona 2008-2009 izay nitarika krizy mafy teto amin’ny firenena. Raha averina ny tantara dia nisy ny mpanohitra ny fanjakana nijoro tamin’izany fotoana, ka tsy nohainoan’ny mpitondra fanjakana ny feon’ireo olona ireo. Tsy nisy koa ny fifampidinihana nataon’ny fanjakana sy ny mpanohitra tamin’izany fotoana izany ka krizy politika sy sosialy henjana be no nisy teto amin’ny firenena farany. Mitranga indray ny fisamborana mpanao pôlitika ataon’ny fanjakana na ireo mpiaro ny fanjakana amin’izao fotoan izao, toa ny mitranga any Soamahamanina izay nisamborana an’i Robison Pierre sy Tsihoarana izay isan’ireo mpitarika ny tolon’ny vahoaka. Mbola nitohy amin’ny fisamborana an’ingahy minisitra tamin’ny Tetezamita Augustin Andriamananoro izany. Ity farany izay nokasain’ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo/reg hosamborina tao amin’ny trano filazam-baovaon’ny Viva tetsy Ambodivona. Tamin’ny alakamisy faha 22 septambra 2016 lasa teo raha nanao fivoriana tao amin’ny sekoly teknika tsy miankina tao Beravina, Fianarantsoa no nanirahana irony antsoina hoe “bokonozatra” na “gros bras” irony sy mpitandro nyfilaminana avy ao Fianarantsoa izay manao fanamiana tsotra nisambotra sy nanao herisetra tamin’ingahy Raharison Benjamin izay filohan’ny far tra tao Matsiatra Ambony t min’ny andron’ny tetezamita ihany. Fivoriana izay nanomanana ny fanehoan-kevitra tokony hataon’ny mpanohitra tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny asabotsy faha 24 septambra 2016 lasa teo ka hanomanan’ny mpanohitra avy any Fianarantsoa ny fiaingany ho aty Antananarivo.Nofoanana tamin’ny ora farany ny fahazoan-dàlana nomen’ny fanjakana tamin’ity fihetsehana ity ho an’ireto mpanohitra ireto ka rava maina ny fihetsiketsehana izay nokasaina hatao fa tratran’ny hery famoretana nataon’ny fanjakana indray. Noravan’ny Emmo-/reg ny asabotsy maraina io ihany ny fanamafisam-peo izay efa napetrak’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto, ary norarana sy nosakanana tsy hanao ity fivoriana ity koa ireo mpanohitra ireo. Niverina hatrany amin’ny famoahana amboletra ny lalàna mahakasika ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety ny adihevitra tamin’ity raharaha ary samy nanakiana mafy ny tranga avokoa ny mpandray anjara tamin’ny ady hevitra sy ny fanehoan-kevitra. Mbola niampy ny olana mahakasika ny raharaha tany ao Andohatapenaka izay ifanandrinan’ny fanjakana sy ingahy Ravalomanana izany. Toa izany koa ny raharaha fa nodinkodinam-bola izay mitranga amin’ny asam-panjakana isan-karazany eto amin’ny firenena. Miampy ny resaka momba ny asan-dahalo sy ny tsy fandriam-pahalemana manerana an’i Madagasikara ankehitriny, na an-tanan-dehibe na ambanivohitra, izany rehetra izany. Manampy trotraka ny fahasorenana ateraka ny tsy fisian’asa sy ny fahasarotan’ny fiainana ary ny fahantrana mihoa-pampana mianjady amin’ny vahoaka maro. Izany rehetra izany no mahatonga ny ankamaroan’ny vahoaka maro milaza fa tsy azo ialana intsony ny hisian’ny fitroarana ara-tsosialy eto amin’ny firenena fa ny andro sy ny fotoana hahavory ny hery amin’izany no tsy fantatra. Mbola olana iray hafa izay miteraka tsy fahafaliana amin’ny kristianina maro manerana ny nosy ihany koa ny raharaha mahakasika ny halatra lakilosy sy fandoroana sy fividianana bai-boly an-tokatrano. Mitambatambatra izany rehetra izany ankehitriny. Toa izao kisarisary niseho ankehitriny izao no nis ho tamin’ny fanjakana ho rava nisy teto Madagasikara rehetra teo aloha. Tokony hahay handray lesona ny fanjakana satria tantara efa niseho teto amin’ny firenena izao tranga miseho izao. Ny fampiasana hery famoretana toa ny misy ankehitriny ampanaovana ny Emmo/reg io dia efa nitranga hatramin’ny andron’ny repoblika voalohany sy faharoa ary fahatelo izay nifandimby teto, saingy tsy nahasakana ny vahoaka hitroatra izany. Sanatria ve dia mbola hiverina indray ny krizy tamin’ny taona 2001 sy 2009 lasa teo iny? Raha mbola azo sorohina dia tokony hijery vahaolanahaingana ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny fanjakana HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) izay mitantana ny firenena amin’izao fotoana izao mba tsy ho tara izany.
Jesy Rabelaolao