Mpitondra fanjakana Hvm: Hampifandrafy vahoaka indray koa

Fihetsika isan’ny nanafaingana ny fidarabohan’ny fitondrana nifanohitra tamin’ny vahoaka teto ny fampirafesany ny vahoaka.

Nandritra ny fanjanahan-tany dia niray volo ny Malagasy tamin’ny ankapobeny fa hifamondron-kery hitaky ny fiverenan’ny fiandrianam-pirenena. Nanao izay ho afany hatrany mba hitazonana ny fitondrana teo aminy ny mpanjanaka, fa rehefa tsinjony ho henjana ny firaisan-kinan’ny vahoaka malagasy nanomboka tamin’ny 1942, ka nijoro taty amin’ny 1946 ny Mdrm, dia indro fa natsangan’ny mpanjanaka koa ny Padesm.

Niezaka nanamarina ny fihetsiny ny mpitondra ka nandripaka vahoaka maro ary nanana ny anjara-toerany sy ny dian-tanany tamin’izany ny Padesm, saingy tsy ela taorian’izay dia voatery nanipy ny fahefana ka nanome ny fahaleovan-tenany ho an’i Madagasikara i Frantsa, na mbola sarintsarim-pahaleovan-tena aza.

Taty amin’ny fitondrana Pisodia dia nanara-davahana ny nataon’ny Mpanjanaka ny mpitondra ka nanangana mpikarama an’ady tao anivon’ny tanora Pisodia nampihorohoro ny vahoaka, indrindra fa ny mpiara-dia tamin’ny Akfm sy ny Monima izay samy nijoro nanohitra azy.

Dia nihafara tamin’ny ady an-tranon’ny samy Pisodia izany, ka tao ny mpiara-dia tamin’i Tsiranana fa tao ny nirona tamin’i Resampa.

Tamin’ny andron’ny Repoblika faharoa koa dia nisy ny fampirafesana ny vahoaka satria nampiasa mpikarama an’ady toy ny Tts (Tanora Tonga Saina) ny fitondrana Ratsiraka, nefa tsy nahavita niaro azy ireny.

Tamin’ny tetezamita Razanamasy sy Zafy Albert dia ny mpikatroka pôlitika no nampiasain-dRatsiraka hifandrafy tamin’ny vahoaka nirona tamin’ny fananganana ny Repoblika fahatelo. Dia ireny nisy ireny ny « Olp » na « Olona leo pôlitika »

Tamin’ny hetsi-bahoaka 2002 dia nanangana ny Zatovo nanohitra ny hetsi-bahoaka tamin’ny alalan’i Sophie Ratsiraka ny mpitondra, ary nifandrafy ny olona tany amin’ny faritra maro.

Tamin’ny hetsi-bahoaka 2009 dia nampiasa an’ireo tanora nambara fa “gros bras” ry Ravalomanana, fa tsy nahavita inona firy dia iny nitsoaka nandositra tany Amerika Atsimo  iny izy.

Amin’izao fotoana koa dia mampiasa “gros bras” ry Rajaonarimampianina, amin’ny alalan-dry Rina Andriamandavy (satria efa fanaony tamin’izy niaraka tamin-dRavalomanana izany) sy i Claudine Razaimamonjy.

Ireny nitranga tany Fianarantsoa ireny tamin’ny alakamisy teo ny ampahany.

Vao omaly indray koa dia nampiakatra “gros bras” eto Antananarivo izy ireo, avy any Fianarantsoa, ka fiara sprinter miloko fotsy an’ny vondrom-pitaterana Fimpima no nitondra azy ireo, niala tany omaly tolakandro, hiazo an’Antananarivo. Efa misy “gros bras” ampolony maro navory eny Ivato (tranon’i Claudine) efa ho hateloana izao. Azo antoka fa hifandrafy amin’ny vahoaka liam-piovana eto izy ireo. Fampiadiana ny samy Malagasy, ary fananganana “milisy” no dikan’izany.

Tsy hahavita miaro ny mpitondra koa ireo na hokaramaina an-tapitrisany isanandro tsirairay aza.

Hadalana ny an’ny fanjakana raha izany no heveriny fa hiarovany ny fahefana eo aminy. Tsy mbola nisy milisy nahatohitra ny herim-bahoaka teto.

Ajouter un Commentaire