Inty sy Nday: Tsy vitan’ny fakan-tsary ny fiainana e !

Raha misy tompon’andraikitra politika isan’ny dedaka sy jejo amin’ny fakana sary dia Rajaonarimampianina sy Ravalomanana. Aoka hotsorina fa tetika ao anatin’ny sesasera avokoa ireny mba hisarihana ny fon’ny olona, izany hoe fampielezan-kevitra avokoa.

Ny an-dRavalomanana dia hitany hatramin’ny mody midina eny ambonin’ny fiara mitondra azy raha misy sarety tarihin’omby, dia mody mandroaka sarety. Dia mahita an’izay miara-maka sary eny amoron-dranomasina amin’ny tora-pasika. Eny e, te hampiseho hoe “tsotra aho ary mifanosona amin’ny vahoaka”.

Ingahy Rajaonarimampianaina koa dia miezaka mifaninana amin’izany rehefa tonga mitokan-javatra iray. Tena mihevitra ny olom-pirenena ho kentrina mihitsy ry zalahy ireo. Ny olona miara-maka sary aminy ange ka faly satria fahitany taiza moa izany miaraka akaiky amin’ny filohampirenena izany, nefa dia voarakitra an-tsary izany ho fahatsiarovana? Ireto mpitarika politika ireto no manararaotra an’izany, ary ezahina aparitaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny gazety isan-tokony.

Tsy maninona avokoa anefa izany fa ny avoitra kosa aloha dia hoe “raha vitan’izany ny fampandrosoana ny firenena dia arahabaina sy ampirisihana hatrany hiara-maka sary amin’ny olom-pirenena etsy sy eroa eny an-dalambe eny isanandro ianareo.” Ny olona miezaka hikimpy sy manentsi-tadiny na tena very fisainana ihany, angamba no tsy mahafantatra fa izao fahasahiranam-bahoaka mivadika ho fahantrana lalina izao sy izao fahapotehan’ny toekarem-pirenena izao no miseho dia tsy afa-bela fa samy nanana dian-tanana tamin’izao na Ravalomanana na Rajaonarimampianina, ankoatra ireo mpitondra hafa…

Noho izany,  tsy hoe ririnin-dasa tsy tsaroana ny raharaha ka hiseho ho madio tanana sy olo-marina teto Ravalomanana.

Tsy afaka ny hanilika ny rihitra any amin’ny mpitondra teo aloha fotsiny koa Rajaonarimampianina amin’izao faha-roa taona sy tapany nitantanany izao fa tsy maintsy voafatotra andraikitra ho tsy afa-bela amin’izao fihomboan’ny fahasahiranana sy fahantran’ny ambanilanitra ombam-pahapotehan’ny toekarem-pirenena izao. Izay no mahatonga ny sokajin’olona maro, ankoatra ireo “tsy mahalala biby afa-tsy sahona”, mifanatona sy miara-mikaroka hevitra mba hirosoana amin’ny tena fanorenana sy hampivaingana ny tena fanovana.

Raha vitan’ny fakana sary etsy sy eroa toy ny tovolahy sy tovovavy mampiasa “facebook” mantsy ny fiainana sy ny fampandrosoana, dia efa nasandratra ho mpanjaka tsy azo esorina eo amin’ny fitondrana mandrakizay na Rajaonarimampianina na Ravalomanana.

Faralahy

Ajouter un Commentaire