Kaongresy iraisam-pirenena: Sendikalista malagasy 2 nihazo an’i Brezil
Hisokatra rahampitso talata ary hifarana ny alakamisy 07 oktobra izao ny andiany faharoa amin’ilay kaongresy iraisam-pirenen’ireo sendika avy amin’ny indostria , izay ho tanterahina any Rio de Janiero any Brezil. Mahatratra hatrany amin’ny 1400 ny isan’ireo sendikalista nasaina tamin’ity kaongresy lehibe ity ka ho antsika Malagasy dia solontena roa izy ireo no nasaina tamin’izany ary efa lasa nihazo an’i Brezil. Marihana fa ny federasionina sendikaly iraisam-pirenena no mikarakara ny kaongresy izay ahitàna solontena avy amin’ny firenena mahery ny 100. Mazava hoazy fa ny tontolon’ny asa sy ny sendika no ho dinihana mandritra io fivoriana io ka azon’ireo solontena Malagasy atao tsara no manao tatitra momba ireo olana rehetra izay sedrain’ny mpiasa eto Madagasikara.Tsara ny manamarika fa tsy hisy mihitsy ny solontenam-panjakana no handray anjara amin’ity kaongresy iraisam-pirenena ny sendika ity
F.T.