Sinoa: Nanorina orinasa fitrandrahana vatosoa ao Ambatofinandrahana
Efa ho telo volana izao no nanao sy nametraka orinasa fitrandrahana vatosoa ao Antsahakely ao Ambatofinandrahana ny orinasa sinoa iray. Fitrandrahana vatosoa antsoina hoe « malakita » na vato varahana no voalaza fa ataon’ity orinasa ity. Tao anatin’ny taona dimy taona izay dia ny sinoa no mpividy ity vato ity. Niteraka olana be ny fitrandrahana ity vato ity satria dia tsy nazava ny tena tompon’ny kariera izay hitrandrahana ny vato. Ankehitriny dia ny sinoa no tompon’ny fitrandrahana. Tsy ny vato malakita ity ihany anefa no anaovan’ny sinoa fikarohana ankehitriny fa hatramin’ny volamena sy ny vatosoa isan-karazany. Misy ny mitaraina indray ny mponina amin’ity faritra ity fa hatramin’ny tanin’izy ireo dia ilain’ny sinoa nanaovana fanadihadiana sy fangalana santionan-tany hataony fikarohana avokoa fa ho trandrahana hono. Manomboka miteraka disadisa eo amin’ny mponina any an-toerana koa ity raharaha ity ankehitriny. Ny fokontanin’i Itaty no efa mitaraina amin’izao raharaha izao. Sanatria ve dia ny zavatra mitranga any Soamahamanina indray no hitranga any Ambatofinandrahana?
Jesy Rabelaolao