Farafangana: Mpamatsy basy dahalo nampandosirina

Tamin’ny herinandro lasa teo dia nisy dahalo dimilahy no voasambotry ny andrimasom-pokonolona tany Befotaka Atsimo. Rehefa nohadihadiana ireto olon-dratsy ireto dia nanondro dokotera iray ho mpamatsy basy azy ireo.

Avy hatrany dia nanapakevitra ny hisambotra ity dokotera ity ny andrimasom-pokonolona ka tany Midongy Atsimo no voasambotra.

Raha ny fantatra dia nisy ny fifandonana nandritra izay fisamborana izay satria tsy nanaiky mora ilay mpitsabo. Natolotra ny zandary tao Befotaka Atsimo ilay dokotera, ity farany izay efa nahitana ratra teny amin’ny vatany rah any loharanom-baovao.

Gaga anefa ny mponina ao Farafangana amin’izao fotoana izao raha nahare fa tsy voatazona ao an-toerana ilay dokotera mpamatsy basy ireo dahalo amin’izao fotoana izao. Voalaza fa nalefa hitsabo tena aty Antananarivo izy kanefa mandeha ihany koa ny feo fa nampandosirina tsotra izao ity dokotera ity izay marihuana ihany fa efa misotro ronono. Ankehitriny dia fantatra ihany koa fa betsaka ireo raharaha maloto izay mahavoatonona ny anarany, isan’izany ohatra ny fanodinkodinana fananam-panjakana ary famonoana katekista iray tany Bemahala

Ajouter un Commentaire