Ambatofinandrahana: Mpampianatra maty voadaroky ny zandary

Mbola fanontaniana mipetraka eto amin’ity firenena ity ny hoe, tena natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa ve ny mpitandro ny filaminana ? Raha ity zava-nitranga tao Ambatofinandrahana ity mantsy dia toa lasa mitombina  ihany ilay fitenin’ny mponina any amin’iny faritra Atsimo ny Nosy iny, izay milaza fa aleo mifanena amin’ny dahalo toy izay mifanena amin’ny zandary. Mpampianatra iray ao amin’ny sekoly Saint Joseph de Cluny ao Ambatofinandrahana no fantatra fa maty noho ny daroka nataon’ny zandary azy, ny sabotsy lasa teo. Raha ny tena marina  dia omaly alahady vao namoy ny ainy ity raim-pianakaviana mpampianatra ity fa ny sabotsy teo no nidarohan’ny zandary azy. Raha hiverenena ny zava-niseho, avy nivoaka ny sekoly hiasany ity mpampianatra ity no nifanena tamin’ny zandray miisa 2 tao anaty fiara izay  nijanona tamin’ny sisin’ny arabe. Rehefa nandalo teo akaikin’ilay fiara nisy ireo zandary ity raim-pianakaviana ity dia nahita ny iray tamin’ireo zandary niresaka tamin’ny finday. Somary nananiany ity zandary ity ilay mpampianatra ka teo no nahasorena ilay mpitandro ny filaminana ary avy hatrany dia nanao teny mahery. Raha ny fitantaran’ireo vavolombelona nanatri-maso dia nifona ilay mpampianatra rehefa nahita ireo zandary sorena taminy. Tsy nanaiky izany fifonana izany anefa ireto mpitandro ny filaminana ireto ka nidaroka ity raim-pianakaviana ity. Mafy ny daroka nahazo ity farany satria voatery nentina tany amin’ny hôpitaly mihitsy noho ny ratra nahazo azy, ny sabotsy tolakandro teo. Raha ny loharanom-baovao  ihany anefa dia maty omaly alahady tao amin’ny hopitaly nitsaboina azy ity mpampianatra ity. Taorian’izay tranga izay dia nanome baiko ny “commandant de compagnie” an’ny zandarimariam-pirenena ao Ambatofinandrahana  fa miverina an-dakazerina daholo ny zandary rehetra ao an-toerana ary tsy misy mivoaka raha tsy misy ny baiko vaovao. Tsara ny manamarika fa raha ny resaka ataon’ireo mponina ao Ambatofinandrahana dia efa fanaon’ny zandary ao an-toerana matetika ny mihetraketraka aman’olona tahaka izao fa noho ny fahatahorana dia tsy misy sahy manohitra izy ireo. Asa raha fantatr’ireo lehibeny ny fihetsika ataon’ireto zandary ireto satria tokony nisy ny andraikitra na fepetra noraisina mialoha mba hisorohana ny tranga tahaka izao, izay nahafatesana raim-pianakaviana tsy manan-tsiny iray. Matetika dia ady hevitra tokoa eto amintsika ny hoe, tena mahafehy sy mahafantatra tsara ny asany ve ireo mpitandro ny filaminana satria maro amin’izy ireo no matetika mampiseho fihetsika mamoehitra sy feno herisetra rehefa eny anivon’ny fiarahamonina eny. Matetika dia ny samy  mpitandro ny filaminana ihany no mifampitifitra any anatin’ireny trano fisotroana zava-pisotro mahamamo ireny. Tsy resahina intsony ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy an-tanan-dehibe sy ny dahalo any ambanivohitra, ary ny fivadihana ho fitaovana hamoretana ireo rehetra izay maneho hevitra na miaro ny tanindrazany eto amin’ity firenena ity . Ireo mpitandro ny filaminana tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray mantsy no lasa olana ho an’ny fiarahamonina.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire