Filoha Hery Rajaonarimampianina: Mitady hamaly faty ny mpitsikera azy
Nanaitra ny maro ny lahatenin’ny filohampirenena Rajaonarimampianina tany Toamasina tamin’iny herinandro lasa iny. Tao anatin’ny fotoana nitsidihany ny Faritra Atsinanana sady nanatanterahana ilay Filankevitry ny Minisitra mitety faritra, dia isan’ny fandaharam-potoananyny fitokanan-javatra (???) tao amin’ny Hôpitaliben’i Toamasina. Tamin’ny kabarin’ny filohampirenena dia nitodika tamin’ireo mpisehatra pôlitika sy mpanakiana na mpanao fitsikerana ny fitondram-panjakana izy, ary nivantana nilaza fa “sao mila fitsaboana ny sofina na mason’ireny olona ireny ka tsy mahita na tsy mandre ny zava-bitan’ny fitondrana”. Avy eo izy dia nanindrom-paingotra an’ireo milaza ny fitondrana tarihiny ho manao herisetra, ka nilazany fa “ny sasany moa dia io no anton’asany, ka ny herisetra voalohany dia ny teny aloaky ny vavan’izy ireny”. Asa aloha na iza na zovy no lazainy manao herisetra amin’ny vava na amin’ny teny aminy fa azo akapoka amin’ny fehezan-teny hoe “ny fanakianana sy ny filazana ny zava-misy mbamin’ny fitsikerana ny zavatra tsy mety ataon’ny fitondrana izany no lazain’Ingahy Filoham-pirenena Rajaonarimampianina ho herisetra”. Tena mivantana koa izahay milaza fa “imasom-bahoaka koa izany no niaiken-dRajaonarimampianina ny tsy fahazakany demokrasia”. Tsorina koa aloha fa isan’ny manaporofo ny tsy fiomanan’ingahy Filoham-pirenena ankehitriny hitondra fanjakana izany teniny izany. Raha tena niomana ka nivonona hitondra fanjakana izy dia isan’ny fepetra noraisiny voalohany ny hizaka ny feo sy ako rehetra etsy sy eroa, na mankasitraka azy na manohitra azy na mitsikera azy. Ny tsy fahazakany an’izany dia manambara mivantana fa tsy mahazaka demokrasia izy, ary dia iny novakiany ambatolampy tany Toamasina iny moa ilay izy. Ny tiany ho nambara koa ve dia ny hoe “satria ampiharanareo herisetra amin’ny teny aloaky ny vavanareo aho ka ho avy aho mamaly bontana sy hamaly faty anareo, ka mahatantesa?” Dia ireny herisetra maningotra aina sy miteraka faharatrana na fisamborana ny tsy manan-tsiny ireny no valiny? Tokony tsy hadinoin’ingahy filoha ankehitriny aloha fa nanao azy ho tsy ho tratry ny aloka ange teto ny fitondrana Tsiranana, fa voatery nanolotra ny fahefam-panjakana tamin’ny tafika ihany tamin’ny faha-18 may 1972 noho ny herim-bahoaka tsy hay notohaina e! Nanao azy ho nahay sy niseho azy ho manamboninahitra niofana momba ny tontolon’ny ady tany amin’ny sekoly ambony momba izany (Ecole de guerre) ange izany Amiraly Ratsiraka izany fa nandohalika nanaiky nifampiraharaha dia nanome ny fahefana malalaka tamin’ny Praiminisitra Razanamasy sy ny mpitarika ny tolon’ny Hery Velona ihany tamin’ny 1991 rehefa tsy hay notohaina ny hetsi-bahoaka e! Mbola namerina ny hafetsifetsena sy ny fiheveran-tena ho mahay manodinkodina ny safidim-bahoaka indray ny Amiraly Ratsiraka tamin’ny 2001-2002 fa niantso vonjy tamin’ny filohampirenena Frantsay ihany ka nandefasan’ity farany fiaramanidina hitondra azy mianakavy nitsoaka nandositra niazo an’i Lafrantsa tamin’ny 2002 noho ny hetsiky ny herim-bahoaka e! Adinontsika sahady angaha fa vao 7 taona mahery kely lasa koa izay no nanehoan-dRavalomanana ny tenany ho “mahery” teto ka nanaovany vava hoe “tsapao aloha ny herinareo vao mankaty amiko”, saingy olona tsy mahay izay “abidian’ny pôlitika” akory ka vao nijoro ny vahoaka leon’ny famoretana sy ny fampahantrana nataony tamin’ny 2009 dia saika tsy nahita varavarana nivoahana nitsoahana teny Mavoloha, ka tany Afrika Atsimo vao nisento ihany hoe “mafy ny mifanehitra amin’ny vahoaka”? Izany sy izany r’Ingahy Filohampirenena Rajaonarimampianina Hery no lanjan’ny herim-bahoaka, ka raha tsy te hifanehitra na hifandona amin’ny herim-bahoaka dia ezaho atao ihany ny maka ny fon’ny vahoaka fa aza variana manararao-pahefana sy mitsikombakomba etsy sy eroa na manome vahana ny tsikombakomba maloto sy ny kolikoky avo lenta ao an-dapa ao.
Ralay