Nty sy nday: Ho voakarakara izany ny mpiasampanjakana!

Natolotra ny filohampirenena ny zoma teo ny rijan-teny mandrafitra ny pôlitikam-pirenena momba ny asam-panjakana. Nambaran’ny minisitry ny Asam-panjakana, Maharante Jean de Dieu, fa “ireo solontenan’ny mpiasampanjakana tamin’ny alalan’ireo sendikan’ny mpiasampanjakana no niara-nikaon-doha sy namolavola ary nandrafitra an’io pôlitikam-pirenena momba ny asam-panjakana io”. Ny vontoatin’izy io aloha dia tsy mbola nampahafantarina ny vahoaka fa hoe “omena haja ny filohampirenena ka izy no nanolorana voalohany an’ilay rijan-teny mandrafitra ny pôlitikam-pirenena”. Ny azo antoka koa dia tsy ireo mpitarika ny sendikan’ny mpiasampanjakana mihitsy no ndeha handrafitra politikam-pirenena hamotika na hanindriana ny mpiasampanjakana. Tsy maintsy ny hampivelarana sy hanomezana risi-po ny mpiasampanjakana eo ampanatanterahana ny asany, ny fiantohana ny fitonian-tsainy eo ampiatrehana ny asany, mbamin’ny fiahiana ny sosialiny hifanandrify amin’ny rariny sy ny vanim-potoana ankehitriny no ho narafitr’izy ireo ao. Hita taratra kosa anefa fa tsy mivonona hampihatra na hanome lanja ka hitady ny fomba hampivoarana ny tontolon’ny mpiasampanjakana ny filohampirenenaa Rajaonarimampianina satria tamin’io fotoana nanoloran’ny minisitry ny Asam-panjakana an’Ingahy filoha an’io pôlitikam-pirenena momba ny asam-panjakana io no nanamarihan-dRajaonarimampianina Hery fa “raha tiana ny hahazoana anjara bebe kokoa amin’ny mofomamy hifampizarana dia ezaho hampitomboina aloha ilay mofomamy”. Te hiteny Ingahy Filohampirenena fa “tsy mbola ho afaka hanome fahafaham-po anareo mpiasampanjakana miisa 162.000 izahay mpitondra fanjakana aloha raha tsy miezaka miasa mafy ka mampitombo ny vokatra ianareo”. Dia navoitrany hatramin’ny hoe “ny 65%-n’ny vola mivoaka amin’ny kitapom-panjakana ange ka iantohana ny karamanareo mpiasampanjakana avokoa e!”. Amin’ny lafiny iray aloha dia ekena ny fahamarinan’ny fanamarihan’ny filohampirenena fa raha ny vokatra azo amin’izao fotoana dia tsy ahafahana mampitombo ny anjaran’ny mpiasampanjakana, saingy rehefa mandinika amin’ny antsipirihan’ny raharaha isika dia mahita fa mibaribary toy ny tafika andrefan-tanana ny fahamarinan’ny oha-pitenenana hafahafa izay hoe “toy ny maloton’alika ka ny avo ihany no tovonana”. Izany hoe, raha ny tombontsoan’ny mpitondra no ilàna fikarakarana fanampiana dia poa toa izay ny fandraisana fepetra sy fanapahan-kevitra, ary tsy ijerena fiakarana na fitomboan’ny vokatra izany an!. Mba nijery ny vokatra nentin’ny filohampirenena ve ny fitondrana Hvm, ohatra, raha nanapaka tamin’ny taona 2015 fa akarina ho 100.000 tapitrisa ariary (100 Miliara ariary) ny vola atokana hotantanin’ny fiadidiana ny prezidansa? Ny ministera isan-tokony anefa no miantoka ny fanatanterahana ny asam-panjakana amin’ny ankapobeny. Mba nijery ny vokatry ny asa natao ve ny fitondrana Hvm, ohatra, raha nanapa-kevitra nividy fiara vaovao, isan’ny lafo vidy, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomierampirenena mahaleotena momba ny fifidianana (Ceni) sy ho an’ny mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (Hcc)? Sa ireo no hiantoka ny fampandaniana ny kandidan’ny Hvm amin’ny fotoam-pifidianana ho avy ka tsy maintsy karakaraina haingana na handaniana volam-panjakana tsy toko tsy forohana aza, fa zinona moa izay fiainam-bahoaka raha atao faralahin-draharaha ny fikarakarana azy satria azo ambara foana hoe “tsy mbola misy ny vola”?. Ka raha iverenana ny momba ity pôlitikam-pirenena momba ny asam-panjakana ity dia manahy ny mpiasampanjakana maro fa mety hataon’ny filohampirenena toa ilay fehezan-dalàna momba ny serasera indray koa izy io.

 Faralahy

Ajouter un Commentaire