Nivo Ratiarison : nidoboka eny Antanimora
Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora omaly hariva, rehefa niatrika fanindroany ny “Chaîne Pénale Anti-Corruption” ny tale kabinetra eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ireo andrim-panjakana, Nivo Ratiarison, sy ireo tompon’andraikitra ambony miisa 4 eo anivon’ny ORTM (Office de la Radio et télévision Malagasy) ka anisan’izany ny tale misahana ny “marketing”. Tsiahivina ihany fa vesatra hiampangana an’i Nivo Ratiarison sy ireto mpiasa eo anivon’ny ORTM ireto, ny fikàsana hanodinkodina volam-bahoaka mitentina hatrany amin’ny 400 tapitrisa ariary sy ny fanodinkodinana fananam-panjakana, ny fanaovana antontan-taratasy hosoka na ny “Faux et usage de faux”, ary ny fanaovana kolikoly. Tamin’ny famotorana natao omaly, dia nahatsapa ny mpitsara eo anivon’ny “Chaîne Pénale” fa feno avokoa ny fepetra ahafahana manenjika sy mampiditra azy ireo any am-ponja vonjimaika. Marihana fa tao aorian’ny famotorana voalohany izay natao ny alakamisy 29 septambra lasa teo dia afaka namonjy ny toeram-ponenany ireto tompon’andraikitra ara-panjakana ambony ireto. Mbola tsy nisy naneho ny heviny momba ity raharaha ity na ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, na ny minisitry ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ireo andrimpanjakana.
F.Tsihiavonana