Vovonana MMFI: Tsy navela hamangy ireo voafonja eny Antanimora

Ho fankaherezana sy ho fanampiana ireo mpitolona tany Soahamahamanina, izay voafonja eny Antanimora amin’izao fotoana izao, ary ny filohan’ny antoko Masters, Alain Ramaroson, dia nanapa-kevitra ny hamangy azy ireo ny vovonana pôlitika MMFI, na ny Malagasy Mivondrona ho an’ny Fanorenana Ifotony, omaly. Tazana tao anatin’izay delegasionina tonga teny Antanimora izay, ny lohandohany mpitarika ny DFP (Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena), ny mpitarika ny RMTF (Rodoben’ny Malagasy Tia Tanindrazana ho an’ny Fanorenana), ary ny filohan’ny AFP (Antso ho an’ny Fanavotam-pirenena) Faniry Razafimanantany. Araka ny efa nampoizina dia tsy navela hiditra tao amin’ny fonjan’Antanimora ireto mpanao pôlitika avy amin’ny fanoherana ireto. Ny antony, raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny fonja, dia tsy nisy fahazoan-dalana ahafahan’izy ireo mamangy ireto voafonja ireto. Rehefa tsy tafiditra tao anaty fonja moa ireto mpanao pôlitika ireto dia nanapa-kevitra ny hametraka ny fanampiana tamin’ny lehiben’ny fonja. Nilaza anefa ity farany fa tsy maintsy mangataka alalana amin’ireo lehibeny vao afaka mandray izany fanampiana izany. Tsara ny manamarika fa miisa 5 ankehitriny ny isan’ireo olona avy any Soamahamanina nijoro niaro ny tanindrazany ka nampidirina eny Antanimora.                                                         

             F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire